• Cours de change
  • 5195.22 AR
  • |
  • $4446.53 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Madagasikara – Inde : Hanamafy ny fiaraha-miasany ny Masoivoho sy ny Kaominina Antananarivo

18/09/2025 14:54 © Moov

Nihaona tamin’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA) ny Masoivohon’i Inde, miasa sy monina eto Madagasikara, Bandaru Wilsonbabu. Nanamafy ny fiaraha-miasany izy ireo, amin’ny endriny hita maso. Ankoatra izay dia hamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny samihafa.

Hamafisina ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CUA

Efa aman-taonany maro no nisy teto Madagasikara ny « Consul de l’Inde » izay efa hatramin’ny taona 1948 ; rehefa nahazo fahaleovan-tena anefa i Madagasikara dia lasa masoivoho izany. Eto Antananarivo no misy io Masoivoho io amin’izao fotoana izao. Isan’ny hanohizana sy hanamafisana ny firahalahiana sy ny firaisan-kina eo amin’ny Masoivoho sy ny Kaominina dia hisy ny tetikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny Kaominina, izay hatolotr’i Inde. I Inde rahateo izay azo lazaina ho manana ny paikadiny manokana hampivoarana ny tanànany sy ny momba azy. Raha ny nambaran’ny Masoivoho hatrany dia « efa fiaraha-miasa ara-tantara ela be no nisy teo amin’ny roa tonta. Efa betsaka ihany koa ny indianina mipetraka eto Madagasikara, indrindra eto Antananarivo ka rariny raha ho hamafisina ny fiaraha-miasa sy ny firahalahiana eo amin’ny roa tonta ».
Raha tsiahivina dia misy ny lalana nampitondraina ny anaran’i Mahatma Gandhi eto Antananarivo. Lalana mampitohy ny Kaominina amin’ny toerana ahitana ny Masoivohon’i Inde izy io. Maneho hatrany ny firahalahiana eo amin’ny roa tonta izany, hoy hatrany ny fanazavana.

Miaraka miaro ny tontolo iainana

Nandritra io fihaonana io dia naseho tamin’ny fihetsika hita maso ny firaisan-kina, tamin’ny alalan’ny fambolena hazo. Niaraka namboly ravinala, hazo famantarana an’i Madagasikara sy “peepal tree”, hazo famantarana an’i Inde ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny Masoivoho. Izany no natao dia hanehoana fa mila miara-miasa ny roa tonta amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. « Izao tontolo izao dia tsy misy tompony fa ansika rehetra. Mila arovantsika miaraka ny tontolo iainana araka izany », hoy ny Ben’ny Tanàna, Harilala Ramanantsoa. Nanamarika kosa ny roa tonta fa fandraisana andraikitra amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy fananganana Tanàna Maitso, ity fihetsika ity.
Ankoatra izany moa dia efa maro ihany koa ireo tetikasa ho an’ny eny ifotony efa hiarahan’ny roa tonta miasa.

Lire la suite

Articles Similaires