• Cours de change
  • 5169.6 AR
  • |
  • $4456.32 AR
Copyright Image : © L_Express-De-Madagascar
Image
Vaovao

Tetikasa 50MW : Mandeha ny fanatanterahana ny 20MW ho an’Antananarivo

12/09/2025 16:37 © Moov

Miroso tsikelikely ny fanatanterahana ny tetikasa 50MW, izay herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Mitotaly 20MW no atao eto Antananarivo ary efa miroso ny asa amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana avy amin’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo. Natao ho vahaolana amin’ny fahatapahan-jiro lavareny sy mifandimby, saika manerana ny Nosy moa ity tetikasa ity.

Ambatomirahavavy, efa vita tanteraka

Mizara roa mazava tsara ny toerana hametrahana io tetikasa 50MW io. Raha 20MW ny eto Antananarivo dia mizara ho an’i Nosy Be, Toamasina, Mahajanga, Antsiranana, Toliara ary Fianarantsoa ny 30MW. Ny eto Antananarivo, amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana ao amin’ny Pejin’ny Minisitera dia efa vita tanteraka ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Ambatomirahavavy, izay hamokatra 1.5MWc. Efa vita tanteraka ny fotodrafitrasa ao an-toerana. Ahitana vatoaratra 1Mwh sy « onduleur » miisa 5 samy manana 200MW avy ao an-toerana ao. Vinavinaina hanosika ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) ity fotodrafitrasa ity. Raha ny nambaran’ireo tompon’andraikitra eny an-toerana dia « efa miandry ny fitokanana sisa » dia afaka miasa izy io.
Marihina moa fa niha-mafy tato ho ato ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo satria miditra tanteraka amin’ny vanim-potoan’ny hain-tany ny eto Madagasikara ka mihena ny rano. Mihena manaraka izany ihany koa ny herinaratra vokarin’ny toho-drano rehetra. Heverina hamaha olana araka izany ity tetikasa 50MW ity.

Toerana roa mbola andalam-panatanterahana

Manampy io 1.5MW io dia toerana roa hafa ihany koa no andalam-panatanterahana amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany ny eny Ampangabe, fokontany Ikianja, izay hamokatra herinaratra hatramin’ny 11.5MWc sy ny eny Ambohidrano Atsinanana, Kaominina Sabotsy Namehana, hamokatra 7 MWc. Miisa 17 400 ny takelaka masoandro apetaka ao Ampangabe, raha miisa 12 180 ny eo Ambohidrano Atsinanana. Marihina fa ampiasaina ireto fotodrafitrasa ireto mba tsy hiankinan-doha betsaka amin’ny solika intsony. Etsy ankilany dia manampy tosika hahatrarana ny fampisitrahana herinaratra ny Malagasy hatramin’ny avo roa heny amin’ny 2030.

Lire la suite

Articles Similaires