• Cours de change
  • 5166.17 AR
  • |
  • $4459.73 AR
Copyright Image : © Odon-Marius-Randrianaina
Image
Vaovao

Tobim-pamokarana herinaratra 105 MW ao Ambohimanambola : Ho taterina afaka roa herinandro ireo fitaovana ao Toamasina

11/09/2025 16:41 © Moov

Roa herinandro sisa no andrasana dia ho tonga eto Antananarivo, ireo fitaovana entina hanatanterahana ny tetikasa 105MW eo Ambohimanambola. Raha ny tatitry ny filan-kevitry ny Minisitra omaly dia amin’ny faran’ity volana septambra ity no vinavina hahatongavany.

Efa vita ireo tetezana miisa 13

Raha tsiahivina, efa tamin'ny volana mey 2023 no nilazana fa hapetraka ao Ambohimanambola ity milina lehibe mpihary herinaratra ity, ho fanomezana tosika ny filàna herinaratra ao anatin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo. Nihemotra hatrany anefa ny fotoana hanombohana ny fananganana ny fotodrafitrasa. Isan'ny fanazavana efa nentin’ny avy eo anivon'ny ministeran'ny angovo sy ny akoranafo, ny fahasarotan'ny fampiakarana ireo fitaovana miala avy any amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina mankaty Antananarivo, noho ny vesatr'izy ireo. Tamin’izany fotoana izany dia voalaza fa tetezana miisa 13 no mila hamafisina hahafahana mitatitra ireo milina. Tao anatin’izany ny tetezana PK 30+350 (Sortie Carion), PK 108+750 (Entrée Moramanga), ny PK 108+800 (Moramanga), PK 112+700 (Sortie Moramanga). Manampy izany ny eo amin’ny PK 113+350. (Rivière Tangaina), PK 130+850 (Amparafara), ny PK 160+150 (Beforona), PK 200+250 (Marovola), ny PK 209+250 (Andranomandry), ny PK 212+900 (Andalamahitsy), ny PK 216+900 (Sandranaty) sy ny PK 256+700 (Ambotalampikely) ary ny eo amin’ny PK 329+694 (Ambodiovaoatra). Nanambara ny minisiteran’ny asa vaventy, androany 11 septambra, fa efa vita avokoa ny fanamafisana ireo tetezana ireo. Araka izany, hirosoana amin’izay ny fitaterana ireo milina ireo.

Hafainganina ny asa

Nangataka ny fanoloran-tena manokan'ireo Minisitra rehetra voakasik'ity tetikasa ity ny Filohan’ny Repoblika, tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, mba hanafaingana ny fanatanterahana. Tao anatin’izany ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, ary ny Minisitry ny Asa vaventy. Hamaivanina ireo dingana ara-taratasy izay mahatara ny fanatanterahana ny tetikasa, raha ny fanazavana. Nanome toromarika ihany koa ny Filohan’ny Repoblika ny hanaovana mazava ny fampahafantarana rehetra amin'ny daholobe satria hisy fanelingelenana araka izany ny fifamoivozana izay handalovan’ny fitaterana ireo fitaovana ireo. Araka izany, hanaraka tsy ho ela ny famolavolana ny tetikasa, izay raha tsiahivina dia hampihena ny vidin’ny herinaratra ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires