• Cours de change
  • 5174 AR
  • |
  • $4460.52 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Fampianarana : Nisitraka fitaovam-pianarana feno avy amin’ny Filoha mivady ny mpianatry ny EPP Ambatobe

09/09/2025 15:02 © Moov

Nanolotra fanomezana ho an’ny mpianatra rehetra tao amin’ny EPP Ambatobe, tamin’ity anio ity ny Filoham-pirenena mivady. Miisa 390 ny mpianatra ao amin’ity sekoly ity ary samy nisitraka izany tsirairay ireo mpianatra.

Fitaovam-pianarana feno

Nanomboka omaly, alatsinainy 9 septambra ny taom-pianarana 2025 – 2026, ho an’ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy. Hanalana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny manoloana izany dia nanolotra ireto fitaovam-pinarana ho an’ny mpianatra ao amin’ny EPP Ambatobe ireto ny Filoha mivady. Feno tanteraka izany fitaovana izany, indrindra ho an’ireo mpianatra ao amin’ny « prescolaire ». Nentohan’izy mivady tanteraka ny fitaovam-pianarana ho ampiasain’ireto farany, raha ny fanazavana avy amin’ny Filoha. Tao anatin’izany ny kitapo sy ny fitaovana rehetra tsy maintsy hampiasain’ny ankizy kely. Isan’izany ohatra ny hety, ny lakaoly, ny « pâte à modeler », ny solaitra, ny pensily sy ny loko ampiasaina. Tsy nampiantohana mihitsy ny Ray aman-dReny hoy ny Filoha, hatramin’ny « gourde » izay hitondran’ireo mpianatra rano dia natolotra avokoa.
Etsy ankilany dia mpianatra miisa 310 eo amin’ny ambaratonga fototra no nisitraka ampaham-pitaovana. Nahitana kahie, loko, pensily, penina, lakaoly, gourde, kitapo sy maro hafa. Raha ho azy ireto dia hanampy izay mbola tsy tao anatin’izany fitaovana izany ny Ray aman-dReny.

Hampiakarana fari-pahaizana

Ny fanomezana toy ireto, amin’ny sehatry ny fanabeazana dia natao hampiakarana ny fari-pahaizan’ny mpianatra. Raha 91.1% ny taham-pahafahana CEPE ho tamin’ity taona ity, tao amin’io sekoly io dia ho ampiakarina izany, amin’ny alalan’ireto fampitaovana ireto. Marihina mantsy fa ankoatra ireo fitaovam-pianarana dia nahazo boky « rakibolana » tsirairay ny mpianatra, ary nahazo « Larousse » ihany koa ny sekoly.
Ankoatra izany, dia entina hampivelarana ny sain’ny ankizy mpianatra dia nizarana kilalao mamparani-tsaina avokoa izy ireo, toy ny « jeu de construction ». Samy nahazo boaty iray avy, misy izany avokoa ny mpianatra rehetra.
Mbola nanamarika ny Filoha, fa vinavinaina ny hanitarana ny sekoly sy hanavaozana ny latabatra sy seza isaky ny efitrano fianarana.

Lire la suite

Articles Similaires