• Cours de change
  • 5174.4 AR
  • |
  • $4464.88 AR
Copyright Image : © Clarisse Manjary
Image
Vaovao

Conseil Municipal des Femmes : tetikasa andrana, hampandraisana andraikitra bebe kokoa ny vehivavy

08/09/2025 15:40 © Moov.Mg

Manana anjara andraikitra feno amin’ny raharaham-pirenena ny vehivavy, saingy mbola vitsy ny vehivavy mirotsaka amin’izany, na eny ifotony, na eo anivon’ny Fanjakana foibe. Hanao andrana hametraka Filàn-kevitra Monisipalin’ny Vehivavy ny any amin’ny Faritra Ihorombe, ka Kaominina miisa telo no hanombohana izany.

Vehivavy mihoitra amin’ny fiainana

« Ny vehivavy no mitaiza ao an-trano, ary fototra ifaharan'ny fahombiazan'ny zanaka, izany hoe : ireo kilongantsika hoavin'ny firenena », hoy Ramananjarasoa Clarisse Eugénie, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’Ivohibe, Faritra Ihorombe, izay manetsika ny fametrahana ity « Conseil Municipal des Femmes », na Filàn-kevitra Monisipalin’ny Vehivavy ity. Amin'ny maha-filoha lefitry ny fampiroboroboana ny miralenta any amin'ny tapany Atsimon'ny Nosy azy, eo anivon’ny Antenimierampirenena, no nahatonga azy hanatanteraka ity andrana ity, miaraka amin’ireo mpitondra sy vahoaka eny ifotony.

Ny « Conseil National des Femmes », izay rafitra mitsangana ao Rwanda ary mandray anjara feno amin'ny fianam-pirenena, no maodely nisintonana ny fananganana ny « Conseil Municipal des Femmes ». Vina ao anatin’izany ny hiarahana mametraka paikady, hahafahan’ny vehivavy mihoitra amin’ny fiainana, ka hananan’izy ireo fari-piainana tsara kokoa.

Manome feo bebe kokoa ny vehivavy

Mba hahatrarana izany tanjona izany dia omena toerana mpanapa-kevitra ny vehivavy eny ifotony. Kaominina miisa 3 aloha no hanombohana azy, dia ny kaominina Sakalaly, distrikan’Ihosy, sy ny kaominina Antambohobe sy Kotipa, samy ao amin'ny Distrikan’Ivohibe. Ireo vehivavy rehetra feno taona, monina amin’ny Fokontany iadidian’ireo Kaominina ireo, dia afaka mandray anjara avokoa. « Mihaona izy ireo ary mifidy vehivavy iray isaky ny tanàna kely, mba hisolo tena azy ireo hiakatra eo anivon'ny Fokontany », hoy ny fanazavan-dramatoa Solombavambahoaka. Hiara-hiasa amin'ny lehiben'ny Fokontany izy ireo, momba ireo rehetra mety mahakasika ny vehivavy.
Ireo vehivavy ireo indray avy eo no mifidy vehivavy iray, izay hisolo tena azy ireo eny anivon’ny Kaominina. « Raha misy Fokontany 9 ao amin'ny Kaominina iray, dia 9 ireo vehivavy voafidy no ho lasa tomponandraikitra, ary mifidy filoha iray izy 9 ireo. Io filoha io no antsoina hoe : « Conseillère Municipale des Femmes », hoy hatrany ny fanazavana. Andraikitra hosahanin’ity mpanolo-tsaina monisipalin’ny vehivavy ity ny fihainoana ny feon’ireo vehivavy eny anivon’ny Fokontany, ny fifampidinihana amin’ny lehiben’ny Distrika, ny Ben'ny Tanàna, ary ny Solombavambahoaka, momba ireo hetaheta, vinam-pampandrosoana, tetikasa tokony ho laharam-pahamehana, lesoka tokony arenina, tranga manahirana eny amin'ny fiarahamonina, ka mahakasika ny vehivavy.

Heverina fa hahafahana manome feo bebe kokoa ny vehivavy ny fametrahana ity Filàn-kevitra Monisipalin’ny Vehivavy ity.

Lire la suite

Articles Similaires