• Cours de change
  • 5174.4 AR
  • |
  • $4464.88 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Famatsiana : Mihamafy ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo

08/09/2025 15:00 © Moov

Zara raha mandeha ora 6 ao anatin’ny 24 ora ny jiro ho an’ny toerana maro eto Antananarivo sy ny manodidina, amin’izao fotoana izao. Nanamafy izany toe-javatra izany ny orinasa Jirama tao amin’ny pejy « facebook », izay nanambara fa mila « mivonona isika fa ho sarotsarotra ity taona ity mandritra ny vanim-potoanan'ny main-tany ». Maro ny olana aterak’izany ka nanolotra ny vahaolana novinavinainy ny orinasa Jirama.

Tsy fahampian’ny vokatra sy ny faharatsian’ny solika

Niteraka fahasosorana teo amin’ny mponina ny fiainana tao anaty haizina, indrindra amin’ny alina sy amin’ny fotoana tena ilaina azy. Nanamarika ny orinasa Jirama, teo anatrehan’izany fa misedra olana ny famokarana angovo. Voalohany amin’izany ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra raha oharina amin’ny filàna izay mitombo isan’andro. Io elanelana betsaka eo amin’ny tolotra sy ny filàna io no mahatonga ny jiro ho tapahana matetika.
Etsy ankilany, ny kalitaon’ny solika ampiasaina amin’ireo toby famokarana herinaratra amin’ny lasantsy no misy olana hita. Vokatry ny solika tsy manara-penitra na ratsy kalitao dia nihena ny vokatra azo avy amin’ireo toby ireo, ka tombanana ho very 30 megawatts eo ho eo. Mbola isan’ny antony iray mahatonga ny fahatapahan-jiro matetika ihany koa izany.

Hiha-tsara ho an’ny taona ho avy

Mba hanarenana ny tsy fahampiana, efa mandeha ny fananganana toby famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, hoy hatrany ity orinasam-panjakana ity. Ity fampiasana ny masoandro ity dia isan’ny vahaolana iray mbola azo trandrahina eto Madagasikara. Anisan’ireo tetikasa lehibe miandry fanombohana ny asa ao Ivato izay hamokatra 100 MW, Moramanga Filatex : 40 MW, Moramanga GSU ihany koa 50 MW, Ampangabe 11,5 MW. Eo ihany koa ny eo Ambatomirahavavy (1,5 MW), Imeritsiatosika (10 MW) ary Ilafy (7 MW). Raha vantany vao mandeha ireo fotodrafitrasa ireo dia hanampy betsaka amin’ny fampihenana ny elanelana misy eo amin’ny famokarana sy ny filàna izany.
Ankoatra izany moa raha ny fanazavana hatrany, dia hisy ihany koa ny fanatsarana ny famatsiana solika ho enti-manohana ireo toby efa misy amin’izao fotoana izao. Raha ireo asa ireo dia nanamarika ny Jirama fa hihatsara ny toe-draharaha amin’ny taona ho avy, indrindra any amin’ny fiafarany, rehefa ho ampiasaina tanteraka ireo toby vaovao ireo.

Lire la suite

Articles Similaires