Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 1 hatramin'ny 7 septambra 2025
Atolotra anao ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 1 hatramin'ny alahady 7 septambra
CHAN 2024 # Nisitraka fankasitrahana ireo mpilalao sy mpiandraikitra
Taorian'ny fitsenana makotrokotroka ny Barean'i Madagasikara ny alahady 31 aogositra lasa teo, nisy ny fandraisana ofisialy azy ireo teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ny alatsinainy 1 septambra, notolorana mari-boninahi-pirenena ireo mpilalao sy ireo Staff Technique. Nomena azy ireo ihany koa ny "Prime" izay matevina tokoa ka natao tanaty baoritra mihitsy. Nisy moa ny fampanantenana ny amin'ny hanamboarana trano raitra na "villa", izay haorina eny amin'ny faritra andalovan'ny lalambe migodana.
Ny alarobia 3 septambra kosa, noraisina teny amin'ny foiben'ny Yas teny Andraharo ny ekipa Barea. Notolorana "Prime" sy finday izy ireo tamin'izany.
MONDIAL 2026 # Tsara toerana ny ekipam-pirenena Malagasy
Mitohy hatrany ny fandresena azon'ny ekipam-pirenena Barea na dia efa vita aza ny CHAN. Vory lanona ny mpianakavy sady re hatrany ny horakoraka sy ny sarom-bilany rehefa mahafaty baolina ny Barea.
Tamin'ny andro faha-7n'ny fifanintsanana Mondial 2026, lavon'i Madagasikara tamin'ny isa 2-0 i Centrafrique. Eo amin'ny laharana faharoa vonjimaika i Madagasikara ao amin'ny Vondrona I. Ambony ny fanantenana hatreto ny amin'ny handraisan'ny Barea anjara amin'ny Mondial, na dia mbola lavitra aza ny lalana ho diavina. Ny lalao manaraka, ny alatsinainy 8 septambra, dia hihaonana amin'i Tchad. Tahaka ny mahazatra, handefa mivantana izany lalao izany ny fahitalavi-pirenena TVM.
Raharaha Ambohimalaza # 7 sisa no velona amin'ireo voapoizina
Saika nisedra olana ara-pahasalamana indray ny ankamaroan'ireo sisa velona tamin'ny mpamonjy fety teny Ambohimalaza. Tamin'iny herinandro lasa iny, nisy tovovavy iray vao 20 taona, antsoina hoe Déborah, nindaosin'ny fahafatesana. Voalaza fa efa sitrana tanteraka ny tenany, saingy niharatsy ny toe-pahasalamany ka naverina niditra hopitaly indray.
7 sisa no isan'ireo mbola velon'aina soa aman-tsara. Mbola misy ahiana nefa ny toe-pahasalaman'izy ireo noho ny vokadratsin'ilay poizina. Mangataka ny hisian'ny Évacuation Sanitaire atsy amin'ny Nosy Maorisy moa ireo sisa tsy maty ireo, mba ho fiarovana ny ain'izy ireo. Etsy ankilany, nanambara ny Tonia Mpampanoa lalàna fa hiatrika Fitsarana tsy ho ela ireo voapanga rehetra amin'ity raharaha ity.
Ampanjaka Toera # Tafaverina ny karandohany sy ny an'ny miaramilany
Nigadona teto Madagasikara tamin'ny fiandohan'ny herinandro lasa teo ny kabeso na karandoha miisa telo, dia an'ny Mpankaka Toera sy ireo miaramilany roalahy. Nisy ny lanonana ara-panjakana sy ara-miaramila, ny talata 2 septambra, teny amin'ny Fasan'ny Maherifo (Mausolée) Avaratr'Ambohitsaina.
Tsiahivina fa mpanjaka Sakalava tamin'ny taonjato faha-XIX i Toera na Andriamilafikarivo. Nataon'ireo vahiny "Trophée de Guerre" moa ireo karandoha ireo, fony nisy ady tany Menabe. Tsy nekeny mihitsy ny fanjanahana ny faritra nanjakany. 128 taona no nitoeran'ireo Karandoha tany Frantsa, ka naranty tao amin'ny "Muséum d'histoire naturelle" nanomboka ny taona 1899. Nentina nihazo ny faritra Menabe ireo Kabeso ireo, ka natolotry ny Filohampirenena ny fianakaviana KAMAMY sy ny foko Sakalava, ny zoma 5 septambra lasa teo.
Fampianarana Ambony # Manomana ny fandraisana mpianatra vaovao ireo Oniversite
Roa herinandro teo ho eo izay no namantaran'ireo tanora vao afaka Bakalorea ny mikasika ireo toeram-pampianarana ambony mahaliana azy ireo. Nisy moa ny "Salon de l'Etudiant" teny amin'ny LJJR Analakely nentina nanampiana ireo mpianatra amin'ny fisafidianana ny sekoly sy ny "filière".
Etsy ankilany, mifandimby mamoaka fandaharam-potoana ny amin'ny "Concours" na "Sélection de Dossiers" ireo Oniversitem-panjakana manerana ny Nosy. Ho an'ny École Supérieur des Sciences Agronomiques, Oniversiten'Antananarivo, ohatra, ny 8 sy 9 oktobra ho avy izao ny fanadinana fifaninanana hidirana taona voalohany. Natokana ho an'ireo manana Bakalorea C, D, S na Technique Agricole izany. Ho an'ny Polytechnique Vontovorona kosa, ny 24 sy 25 septambra ho avy izao ny fanadinana.
Fampianarana Ambony # Fiaraha-miasan'ny Oniversiten'Antananarivo sy ny Oniversiten'i Toamasina
Noraisin'ny filohan'ny Oniversite Toamasina, Profesora Diny RAZANAKOLONA, ny filohan'ny Oniversiten' Antananarivo, Profesora Rivoarison RANDRIANASOLO.
Nisy resadresaka teo amin'ny filoha roa tonta mombamomba ny Oniversite sahaniny avy, ny karazana sampampiofanana misy ao sy ny firaha-miasa isan-tsokajiny na sehatra nasionaly izany na iraisam-pirenena. Teo ihany koa ny fampahafantarana ny Académie de Recherche et d'Enseignement Supérieur (ARES), izay fandaharanasa manao tantsoroka ny fikarohana sy ny valim-pikarohana eny anivon'ny Anjerimanontolo, toy ny fisitrahana vatsim-pianarana ho an'ny mpampianatra mpikaroka. Ny Oniversiten' Antananarivo moa no nanombohana izany ary hisandrahaka manerana ny Nosy.
Naneho fahavononana amin'ny fiaraha miasa rehetra ho fampandrosoana ny tontolon'ny fampianarana ambony ny roa tonta.
Fampianarana Ambaratonga Fototra # Tontosa ny fanavaozana ny EPP Morondava
Nitsidika ny faritra Menabe ny fitondram-panjakana tamin'ny faraparan'ny herinandro lasa teo. Teo amin'ny sehatry ny fanabeazana manokana, nisy ny fitokanana ny asa vita tamin'ny EPP Andakabe Morondava, ny sabotsy 6 septambra lasa teo.
Efa tamin'ny taona 1906 no naorina tao Morondava io sekoly io, ary 100 taona mahery aty aorina vao nisy ny fanavaozana sy fanamborana iray manontolo. Ny Filohampirenena mivady moa no niantoka manontolo ny asa fanamboarana rehetra. Ahitana efitrano fianarana miisa 24 misy efitrano fianarana informatika, trano famakiam-boky, trano fisakafoan'ny mpianatra, infirmerie, kianja filaoavana baskety, ary ireo fitaovana ara-kajy mirindra maro samihafa ho an'ny mpampianatra sy mpianatra toy ny "tableaux numériques interactives" sy ireo "tablettes".
Sehatry ny Jono # Nampiofanina ireo mpanjono tao Antsirabe
Notanterahina ny alarobia 3 septambra lasa teo ny atrikasa fampihofanana ireo mpanjono, mialoha ny hiatrehana ny fotoana fikatonan'ny rano ao Vakinankaratra.
Nandritra izany no nanaovana ny tomban'ezaka telo volana fahatelo ny taona 2025, ny fampahafantarana ny drafitrasa niarahana namolavola tamin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ao Vakinankaratra hiadiana amin'ny tsy fandriam-pahalemana eo amin'ny sehatry ny Jono sy Fampamokarana ny Atirano, ny fampahafantarana ireo andinin-dalàna mila fantarina makasika ny Jono an-dranomamy, ny fampihofanana momba ny adisisika sy haitarika, ny fampahafantarana ireo mpanamahay voafantina hanatanteraka ny asa fanavaozana ny bokinandraikitry ny VOI MMFT, ary ny fandinihana ireo AGR hiatrehana ny fikatonan'ny rano.
Fambolena sy Fiompiana ary Sakafo # Fahombiazana ny FIA sy ny FIG 2025
Tontosa soa aman-tsara ny Foire Internationale de l'agriculture (FIA) & Festival International de la gastronomie (FIG), teny amin'ny CCI Ivato, ny 4 hatramin'ny 7 septambra. Nahitana tranoheva manodidina ny 300 mahery izany hetsika izany
Ho an'ny sehatry ny Jono manokana, nanararoatra nifampizara traikefa ireo mpiompy trondro, mpamokatra zana-trondro, ireo mpiivarotra trondro fa indrindra ireo mpanjifa na mpisakafo. Hita teny Ivato ihany koa ireo biby fiompy azo atao namana, toy bitro sy ny alika. Tsy diso anjara ihany koa ireo mpankafy ny vokatra bio, satria naranty tao ireo legioma sy voankazo nambolena tamin'ny zezika tsy misy akora simika. Tsy adino ireo vokatra ara-tsakafo voaodina sy azo tehirizina, toy ny tantely, ny ronono/fromazy/yaourt, ny kaonfitira, ny voankazo maina, sns.
Fanolanana Zaza tsy ampy taona # "Tonton" no nanimba zazavavikely roa
Zazavavikely 11 sy 10 taona no niharan'ny fanolanana niverimberina tao Miandrarivo Faratsiho. Tsy iza no nahavita ny heloka fa ny anadahin-dreniny ihany. 23 taona ralehilahy, ary efa nisara-panambadiana.
Tsikaritry ny ray aman-dreniny ho hafahafa famindra ireo zaza, ary efa nitambokona narary vao fantatra fa nisy nanolana. Efa matetika hanamparan'ilay "tonton" ny filan-dratsiny iteto zazavavy kely roa ireto ary ampitahoriny tsy hilazalaza na amin'iza na iza. Nokarohin'ny zandary ny nahavanon-doza ka nosamborina ary notanana avy hatrany.