Miaro sy Mikolo : Tetikasan’i Tany Meva sy AFD ho an’ny tontolo iainana sy ny olona ifotony
Nanao sonia fifanarahana hanatanterahana ny tetikasa MIARO sy MIKOLO ny Fondation Tany Meva sy ny Agence Française de Développement (AFD), tamin’ny voalohan’ny taona 2025. Ireto tetikasa ireto dia mitentina 1,1 tapitrisa euros (na 5 720 000 000 ariary), ka 500 000 € no avy amin’ny AFD. Haharitra telo taona ny fanatanterahana ireto tetikasa mikendry ny hanatsara ny fikarakarana ny harena voajanahary any amin’ny Faritra Avaratra sy Avaratra-Andrefana ireto.
Tetikasa ho an’ny natiora sy ny olona
Ny tetikasa Miaro sy Mikolo dia mikendry ny hanambatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fanohanana ireo fiveloman’ny mponina. Hanamafy ny fifandraisana eo amin’ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny fikajiana ny tontolo iainana, ny Tany Meva sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Ankoatra izay, ny SAGE (Syndicat des Acteurs de la Gestion de l’Environnement) sy ny Madagascar National Parks (MNP) dia ho mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny asa. Izy ireo no hanome fanofanana sy hanampy amin’ny fanamafisana ny fahaizan’ny vondro’olona eny ifotony amin’ny fitantanana ireo tetikasa.
Asa 53 notsongaina
Nisafidy asa miisa 53 ny tetikasa Miaro sy Mikolo : 31 amin’ireo no ho tanterahina ao amin’ny Tapany Avaratra ary 22 ao amin’ny Avaratra-Andrefana. Ireo no hifantohana mba hampaharitra ny fitantanana ny harena voajanahary sy ny famoronana asa fivelomana mifanaraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Hanomboka tsy ho ela ny asa ary hisy lanonana ofisialy hanamarihana izany. Tafiditra ao anatin’ny Drafitra Stratejika faha-5 an’i Tany Meva ihany moa ny tetikasa, izay manome lanja ny andraikitry ny vahoaka ifotony amin’ny fitantanana ny harena voajanahary. Raha tsiahivina moa ny Tany Meva dia voafidy ho isan’ireo fikambanana hanatanteraka ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy mifototra amin’ny eny ifotony.