Fampianarana : Hampiharina manomboka izao ny tetikasa TALIM
Lany tsy nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimera roa tonta ny fanatanterahana ny tetikasa TALIM (Transformation de l’Accès et de l’Apprentissage à Madagascar). Voarain’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fanambarana fa manan-kery izy io, ny 4 septambra 2025 teo, ka hiroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa, izy ireo.
Fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana
Ny tetikasa TALIM , raha hazavaina dia midika hoe fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara. Izany dia hatao amin’ny alalan’ny fanatsarana ny politikan’ny fampianarana, ny fizarana boky ho an’ny mpianatra, ny fampisakafoana an-tsekoly ary ny fananganana trano fianarana. Raha tsiahivina dia miaina fanamby goavana ny fampianarana eto Madagasikara. Na dia nihatsara aza ny isan’ny fidiran’ny mpianatra, ary nihena ny elanelana misy eo amin'ny ankizivavy sy ny ankizilahy, dia mbola mampanahy ihany ny tahan'ny fahavitana fianarana sy ny vokatra.
Ny tetikasa TALIM dia mikendry ny hanatsara ny vokatry ny fanabeazana fototra eto Madagasikara amin'ny famahana ireo fanamby lehibe maro eo amin'ny sehatry ny fanabeazana ireo. Lafiny telo no ho laharam-pahamehana amin’izany dia ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fitantanana ny mpampianatra, ny fotodrafitrasa sy ny tontolon’ny fampianarana ary ny fitantanana ny sehatry ny fampianarana.
Famatsiam-bola 185 tapitrisa dolara
Raha ny fanazavana dia mihoatra ny 4,7 tapitrisa ny mpianatra amin’ny ambaratonga voalohany sy ambaratonga fototra no hahazo tombontsoa amin’ity tetikasa TALIM ity. Miraka amin’izany ny mpampianatra miisa 135 000 sy ny sekoly fototra miisa 27 000 manerana ny Nosy. Tsiahivina moa fa ny Banky Irsaim-pirenena no mamatsy vola ny tetikasa izay mitentina 185 tapitrisa dolara, ka ny 150 tapitrisa avy amin’ny IDA ary 35 tapitrisa avy amin’ny Partenariat mondial pour l’éducation. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa AIM4Learning ity tetikasa ity, ary mikendry indrindra ny hanatsara ny fahavitan’ny fianarana sy ny kalitaon’ny vokatra any ampianarana ho an’ny ankizy malagasy rehetra.
Etsy ankilany dia hanome fitaovana ilaina amin'ny fampianarana ihany koa ny tetikasa, anisan'izany ny boky torolalana ho an'ny mpampianatra, ary ny boky fianarana malagasy, frantsay, ary matematika, azo jifaina amin'ny endriny vita printy sy nomerika. Araka izany, vinavinaina hitondra ainga vao, ho an’ny fampianarana Malagasy ity tetikasa izay hanomboka amin’ity taom-pianarana 2025 # 2026 ity.