• Cours de change
  • 5171.57 AR
  • |
  • $4464.3 AR
Copyright Image : © Dna
Image
Vaovao

Maheritiana Schehr : niady tamin’ny homamiadana, nanangana fikambanana manampy ireo marary

05/09/2025 10:40 © Moov.Mg

Azo avadika ho hery sy fanoitra, entina hanasoavana ny mpiara-belona, ny sedra mafy diavina. Manamafy izany ny tantaran’i Maheritiana Schehr, izay nisedra ny homamiadana no sady namoy havana noho izany aretina izany.

Niady mafy tamin’ny aretina homamiadana

Tantaram-pianakaviana ny homamiadana, ho an’i Maheritiana Schehr. Tsy nampilofika azy anefa ny niainana izany, fa vao mainka aza nanosika azy hanangana ny fikambanana Canceretoile Madagascar, ho fanampiana ireo Malagasy mpiray tanindrazana aminy, izay lazoin’ity aretina ity.

Avy aty Madagasikara i Maheritiana Schehr, fa monina any Seltz Frantsa nanomboka ny taona 2012. Maro tamin’ireo olona akaiky azy no lavon’ny aretina homamiadana. Ny taona 2001, nodimandry, vokatry ny homamiadan’ny havokavoka ny rainy. Tamin’ny taona 2012 indray, dia ny reniny no nafoiny, noho ny homamiadan’ny tranon’atodinaina. Ny taona 2015, dia ny zokiny vavy no namoy ny ainy, noho ny homamiadan’ny havokavoka, ary mbola io aretina io ihany koa no nitondra ny vadiny any amin’ny varo-tsy mifody, tamin’ny taona 2020. I Maheritiana Schehr kosa dia niady tamin’ny homamiadan’ny nono, nanomboka ny taona 2020. Mbola niverina taminy izany, taty aoriana, saingy efa tsy hita soritra aminy intsony ny aretina ankehitriny (en rémission). « Miady aho, ho an’ny zanako. Mbola kely izy ireo, ary izy ireo no heriko », hoy izy.

Niatrika fitsaboana mavesatra

Manan-janaka roa lahy i Maheritiana Schehr. 2 taona sy 9 taona izy roa lahy, tamin’ny fotoana nahafantarana fa tratran’ny homamiadan’ny nono izy. Vao efa-bolana talohan’izay anefa no nodimandry ny vadiny. Araka ny fitantarany, nahatsiaro tena ho irery tanteraka izy tamin’izany fotoana izany. Saika monnina aty Madagasikara avokoa mantsy ireo fianakaviany, hany ka izy irery no sady niatrika ny aretina, no nikarakara ireo zanany, izay marihina fa mifefitena (autiste), ilay lahimatoany.

Am-bolana maro no niatrehany ny fitsaboana : noesorina ny nonony havia, nandalo « radiothérapie », « chimiothérapie » … Sitrana i Maheritiana ! Nihevitra izy fa tafavoaka ny ala, saingy, volana maromaro taty aoriana, nilaza ny mpitsabo fa niverina indray ny aretina. Niverina nanaraka izany ihany koa ireo fitsaboana mavesatra tsy maintsy natrehina. Na mafy aza ny niainany, dia teo amin’izay fotoana izay ihany koa no nitsirian’ny heviny hanangana fikambanana hiahy ireo Malagasy voan’ny homamiadana.

Canceretoile Madagascar, tohana ho an’ireo marefo

Hanatanteraka hetsika voalohany ny fikambanana Canceretoile Madagascar, amin’ny alahady 7 septambra 2025, any Neewiller-près-Lauterbourg Frantsa. Varotra entana efa niasa no hotanterahina mandritra izany. Ny vola ho voaangona dia hatolotra manontolo ny ONG Sahi, izay manana ny foiben-toerany eto Madagasikara, ary misahana ny sehatry ny fahasalamana. Ireo olona voan’ny homamiadana, marefo, tsy manana fahefa-mividy ho entina mitsabo tena, no tena hiantefan’ny tohana avy amin’ny fikambanana. « Misy amin’ireo marary no tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy mivarotra ny trano fonenany mba hahafahany mahazo fitsaboana », hoy ny fanazavan’i Maheritiana Schehr.

Ezaka ataon’ny fikambanana, amin’ny alalan’ireo fanampiana azony avy amin’ny malala-tanana. Isan’izany ny famatsiana ara-bola ireo fandraisana an-tanana ara-medikaly, toy ny fitiliana, ny fanafody, sy ny fandraisana an-tanana ara-môraly sy ara-tsôsialy, ho an’ireo marary sy ny fianakaviany. « Zava-dehibe ny fanohanana rehetra, na dia ny madinika indrindra aza », hoy i Maheritiana Schehr.

Lire la suite

Articles Similaires