Asam-panjakana : Ho hatsaraina ny fitsinjarana fisotron-dronono, amin’ny alalan’ny fanisana faobe
Hiditra amin’ny fanisana ireo mpiasam-panjakana misotro ronono, mandray izany amin’ny alalan’ny taratasim-bola (bon de caisse), ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Efa nanomboka tamin’ny volana may teo ny fanisana ireo mandray izany amin’ny alalan’ny banky na ny Paositra Money.
Hanatsarana ny fomba fandoavana ireo vola
Misy hatrany ireo mpiasam-panjakana mandeha misotro ronono isan-taona. Hahafahana manana antontan’isa marina sy voaaramaso dia tanterahina io fanisana io. Amin’izao fotoana izao raha ny fanazavana avy amin’ny Minisitera dia miisa 144 125 ny mpisotro ronono manerana ny Nosy. Andry sy tantaran’ny asam-panjakana rehetra ireo olon-dehibe ireo. Raha ny fanazavana avy amin’i Andrianarivo Jafetra, Chargé de la solde et des pensions, ao amin’ny Minisitera dia « Zava-dehibe ny fananana antontan’isa mazava sy vaovao, hahafahana manamarina fa tena velona mivantana amin’ny fisotron-dronono ilay olona ». « Hahafahana manatsara ny fomba fandoavana ireo vola ihany koa », hoy hatrany ny fanazavana.
Araka izany, ankoatra ireo efa vita dia hotanterahina amin’ny fotoana fandraisana ny fisotron-dronono amin’ity volana septambra ity ny fanisana eny anivon’ny Distrikan’Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo ary ireo Distrika amin’ireo renivohi-paritra miisa 22. Ho atao amin’ny volana oktobra kosa ny eny amin’ireo Distrika hafa rehetra manerana ny Nosy.
Hampifandrindrana ny antontan’isa
Ho an’ireo mandray ny fisotroan-dronono amin’ny alalan’ny taratasim-bola sisa ireo ho isaina ireo ary eny amin’ny toerana fandraisana izany mahazatra ihany. Ny avy ao amin’ny Fitaleavana momba ny karama sy ny fisotron-dronono no manatanteraka azy. Amin’izao fotoana izao dia miisa 128 595 ireo mandray vola amin’ny « bon de caisse » ireo, saingy miovaova kosa ny antontan’isa araka ny zava-misy. « Izany no antony hampifandrindrana ny antontan’isa eo am-pelatanana sao tsy marina. Rehefa fantatra mazava dia afaka manatsara ny fitsinjarana sy fandoavana izany amin’izay isika », hoy hatrany i Andrianarivo Jafetra.
Marihina fa ny tompony ihany no manatrika io fanisana io. Raha misy ireo manana taratasy fahazoan-dalana dia hapetraka eo amin’ireo mpanisa izany ka izy ireo no midina an-tsehatra mankany amin’ny isan-tokantrano.