• Cours de change
  • 5171.57 AR
  • |
  • $4464.3 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « croquettes de manioc »

03/09/2025 16:41 © Moov.Mg

Tsakitsaky matsiro, tsy be masonkarena nefa dia tena matsiro ny « croquettes de manioc ». Fomba iray afaka hikarakarana ny mangahazo atao masira indray ity entina amintsika eto ity. Araho ary ny fomba tsotra fanaovana azy.

Ireo akora ilaina raha hanao « croquettes de manioc »

-Mangahazo 500g ;
-Maïzena 3 sotrokely ;
-Dibera 1 sotro fihinanana ;
-Atody 3 ;
-Sira ;
-Parmesan 1 sotro fihinanana ;
-Fromazy voakiky 200g ;
-Chapelure ;
-Menaka hanendasana azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana ary voasana ny mangahazo. Andrahoina amin’ny entona (à la vapeur) mandrapaha masaka azy.
Potserina amin’ny sotrorovitra na anaty laona ny mangahazo. Izy mbola mafana tsara iny no potserina mba tsy ho lasa mafy.
Atao anaty saladier ny mangahazo voatoto. Arotsaka ao ny maïzena, ny atody 1, ny dibera, ny paremesan sy ny sira. Afangaro tsara amin’ny rantsan-tanana.
Volavolaina ho lasa boribory maromaro, avy eo fisahana. Asiana fromazy voakiky kely eo afovoany. Avy eo akatona hahazo toy ny boribory (boule) somary fisaka.
Atao anaty lovia iray ny chapelure. Kapohana anaty lovia hafa ny atody 2 ary asiana sira kely. Atsoboka kely anatin’ilay atody ilay mangahazo boribory natao teo avy eo ajoboka anaty chapelure. Atao mihosotra tsara avy eo alahatra eo ambony plateau.
Endasina ao anaty menaka mamay. Aroso mafana ny « croquettes de manioc ».

Lire la suite

Articles Similaires