Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny « hernie discale »
Karazana « hernie » iray matetika fahita ary mety mahatonga fanaintainana mafy ny « hernie discale ». Matetika dia ny olon-dehibe sy ny beantitra no tratran’izy io, fa mety voa ihany koa ny tanora sy ny ankizy. Ho resahana eto ary ny atao hoe « hernie discale », ireo fomba fisehony sy ny fitsaboana azo atao.
Inona no atao hoe « hernie discale » ?
Ny hazondamosina (colonne vertébrale) dia voarafitra taolan-damosina (vertèbres) mifampitaingina, elanelanin’ny « disques intervertébraux ». Ireo « disques » ireo dia miasa toy ny « amortisseur » mba hafahan’ny hazondamosina mihetsiketsika. Ahitana « anneau externe » sy « noyau gélatineux central » ao anatin’ireo « disques » tsirairay.
Mitranga ny « hernie discale » raha toa ka mitriatra na vaky ny « anneau externe » ny « disque » ka mahatonga ilay « noyau gélatineux » hivonto sy ho tafavoaka. Io fivontosana io dia mety hanindry « racine nerveuse » na, indraindray, hanindry ny tadin’ny hazondamosina (moelle épinière) ka mitarika fanaintainana.
Ireo antony mety mahatonga ny « hernie discale »
Ny faharefoana ara-boajanaharin’ireo « disques intervertébraux » rehefa miha mahazo taona ny olona iray no isan’ireo antony lehibe mahatonga ny « hernie discale ». Rehefa mandeha ny fotoana dia mihena ny tahan’ny rano ao amin’ireo « disques » ka mahatonga azy ireo ho tsy dia « souples » sy ho mora hitriatra.
Ankoatra izay dia misy ireo anton-javatra hafa mety mahatonga azy io, toy ny :
-Hatavezana. Mampitombo ny vesatra eo amin’ireo « disques » amin’ny « colonne lombaire » ny tavy tafahoatra ;
-Fihetsika miverimberina na « mauvaise posture ». Ny fibatana zavatra mavesatra na ny fihetsika mampiholakolana ny lamosina miverimberina dia mamparefo ireo « disques » ;
-Tsy fahampiana fanetsiketseham-batana. Lasa tsy mahavita mitazona tsara ny hazondamosina ny hozatra mandrafitra ny lamosina sy ny kibo rehefa tsy mampiasa vatana matetika (tsy mandeha tongotra, tsy manao fanatanjahantena…) ;
-Fifohana sigara. Ny « nicotine » dia mety mampihena ny fatran’ny « oxygène » mankany amin’ireo « disques » ka manafaingana ny fahasimban’ireto farany ;
-Fototarazo.
Ireo soritr’aretin’ny « hernie discale »
Miankina amin’ny toerana misy ilay « hernie » sy ny « racine nerveuse » tratra ny soritr’aretin’ny « hernie discale ». Matetika dia ao amin’ny faritra ambanin’ny lamosina (lombaire) sy eo amin’ny hatoka (cervicale) no ahitana ity karazana « hernie » ity. Maro ireo fambara mety miseho.
« Hernie discale lombaire »
-Manaintaina ao ambanin’ny lamosina ;
-Misy marary be tampoka avy ao ambanin’ny lamosina ary mamaly any amin’ny ranjo. Mety ho mafy be sy mavaivay io fanaintainana io ;
-Volivoly, manakotsako na mangorintsina ao amin’ny ranjo sy ny tongotra ;
-Sahirana manainga ny tongotra na ny ranjo.
« Hernie discale cervicale »
-Manaintaina ny hatoka, indraindray toy ny mienjana ;
-Manaintaina manodidina ny soroka, ny sandry, ny hatotsandry sy ny tanana ;
-Volivoly sy manakotsako ny sandry sy ny tanana ;
-Sahirana mandray zavatra na mampihetsika ny sandry na ny tanana.
Ahoana ny fitsaboana atao ?
Amin’ny ankapobeny dia sitrana ho azy ny « hernie discale ». Miompana amin’ny « traitements conservateurs » ny fitsaboana azy. Vitsy ihany ireo tranga ilaina fandidiana.
Ny « traitements conservateurs »
-Fadiana ny mampiasa vatana mafy sy manao fihetsika (mouvements) mety hitarika fahasarotana mandritra ny andro maromaro ;
-Mety manome fanafody hampitoniana ny fanaintainana ny mpitsabo ;
-« Kinésithérapie ». Izany hoe ampanaovana fanazarana manokana mba hanamafisana ny hozatra ao amin’ny lamosina sy ny kibo mba hanatsarana ny « posture » sy hampitombo ny « souplesse ».
Fandidiana
-Mety mila fandidiana ny fitsaboana ny « hernie discale » raha toa ka tsy mety misinda ireo soritr’aretina ao anatin’ny herinandro maro na volana maro nampiharana ny « traitement conservateur » ;
-Mafy be ireo soritr’aretina, toy ny hoe mihamalemy ireo hozatra, lasa tsy mahatana pipy ny tatavy, tsy miasa tsara ny tsinay…