• Cours de change
  • 5179.97 AR
  • |
  • $4462.49 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Vaovao

Fahasalamana ara-tsaina : olona miisa 727.000 isan-taona no mamono tena, maneran-tany

03/09/2025 10:59 © Moov.Mg

Olombelona maherin’ny iray miliara isa maneran-tany no tratran’ny fikorontanan-tsaina, araka ny nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS). Mety hitarika any amin’ny famonoan-tena izany, raha tsy misy ny fandraisana an-tanana. Eto Madagasikara dia mbola ambany ny tahan’izay fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny saina izany.

Famonoan-tena vokatry ny fikorontanan-tsaina

Mihamirongatra ny aretin-tsaina maneran-tany, ary isan’ny antom-pahafatesana voalohany eo amin’ny tanora ny famonoan-tena aterak’izany fikorontanan’ny saina izany. Araka ny tatitra iray vao navoakan’ny OMS, dia olona manodidina ny 727.000 isa isan-taona no mamono tena, maneran-tany. Isaky ny olona 1 mamoy ny ainy vokatry ny famonoan-tena, dia misy olona nanandrana namono tena miisa 20. Araka ny fantatra dia famonoan-tena avokoa ny 1% amin’ny antom-pahafatesan’ny olombelona maneran-tany. Azo heverina ho ambony izany salan’isa izany.

Tanjon’ny OMS ny hampidina hatramin’ny iray ampahatelony ny tahan’ny famonoan-tena, hatramin’ny taona 2030. Tsy ho tratra anefa izany tanjona izany, raha ny zava-misy ankehitriny no jerena. Mbola maro mantsy ireo olona tratran’ny fikorontanan-tsaina no tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Ho an’i Madagasikara manokana, dia mbola tsy sahy manatona dokotera misahana ny fahasalaman’ny saina ny ampahany betsaka amin’ny olona tratran’ny fikorontanan-tsaina sy ny fianakaviany, noho ny henatra ny fiarahamonina. Na mbola vitsy aza anefa ny isan’ireo psikiatra sy psikôlôgy eto amintsika, dia saika ahitana sampan-draharaha misahana ny fahasalaman’ny saina avokoa eny anivon’ireo hôpitalim-panjakana isaky ny renivohi-paritany enina.

Tsy ampy ny teti-bola ho an’ny fahasalaman’ny saina

Isan’ny asa maika tokony hotanterahina, ao anatin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, ny fanatsarana ireo sampan-draharaha misahana ny fahasalaman’ny saina, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny OMS, Tedros Ghebreyesus « Ny fanohanana ny fahasalaman’ny saina dia fanohanana ny olombelona, ny fiarahamonina ary ny toekarena », hoy izy. Miteraka fatiatonka ara-bola goavana tokoa mantsy ny olana ara-tsaina. Araka ny tatitry ny OMS hatrany, ny fahaketrahana sy ny tebiteby dia miteraka fatiantoka ara-bola mitentina 1.000 miliara dolara isan-taona ho an’ny toekarena maneran-tany. Etsy an-daniny anefa, ny 2 % amin’ny fandanian’ny fahasalamam-bahoaka monja no natokana ho an’ny fahasalamana ara-tsaina maneran-tany, efa hatramin’ny taona 2017.

Isan’ny antony mampirongatra ny olana ara-tsaina ny fidorohana zava-mahadomelina, indrindra ho antsika eto Madagasikara. Araka ny nambaran’ny dokotera iray misahana ny fahasalaman’ny saina, dia ny fisotroana alikaola no mitarika aretin’ny saina indrindra any Fianaratsoa, raha ny fihinanana katy kosa any Antsiranana. Ny lehilahy no tena voakasik’izany. Eo amin’ny vehivavy kosa, araka ny fanadihadiana natao tany amin’ny hôpitalin’Ambovombe Androy, dia ny fisarahana amin’ny olon-tiana sy ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana (dépression post-partum) no mitarika ny fikorontanan-tsaina.

Lire la suite

Articles Similaires