• Cours de change
  • 5137.5 AR
  • |
  • $4435.77 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Manavy : ireo fikafika natoraly manampy hampisinda izany

11/08/2025 14:25 © Moov.Mg

Rehefa manavy ny olona iray dia midika izany fa miady ny vatany. Rehefa mihoatra ny 38°C ny hafanana dia manambara izany matetika fa miasa amin’ny fiadiana amin’ny otrikaretina toy ny viriosy, bakteria… ny hery fiarovana. Raha toa ka mbola zaka ny fanaviana na hoe tsy mamay be ny vatana dia azo atao ny mampihatra ireo fikafika natoraly hampisinda ny fanaviana. Anisan’ireo azo atao ary ireto manaraka ireto.

Misotro rano tsara mba ho « hydraté » ny vatana

Rehefa mahatsiaro tena manavy dia mila misotro rano betsaka mba hisorohana ny « déshydratation ». Afaka misotro zava-pisotro mamelombelona aina sy mitondra rano betsaka toy ny ranom-boankazo (tsy be siramamy), ron’akoho na ron-dasopy… Manampy amin’ny fampitoniana ny fanaviana izany.

Mandro amin’ny rano matimaty

Fikafika fanao eo amin’ny ankizy manavy ny fampandroana azy amin’ny rano matimaty. Izany dia mba hampidinana moramora ny hafanan’ny vatana. Mila atao latsaky ny 2°C ny hafanan’ny vatana ny hafanan’ny rano handroana. Tsy mahazo atao mangatsiaka ary tsy tokony hilona ao mihoatra ny 10 minitra.

Mihinana tantely

Ny tantely dia akora natoraly isan’ny mandaitra indrindra hiadiana amin’ny « infections » noho izy manana fiasa « antibactériennes », « antivirales » sy « antiseptiques ». Manampy amin’ny fampitoniana ny fanaviana izy amin’ny alalan’ny fanamafisana ny hery fiarovana. Tsotra ny atao, mihinana tantely 1 na 2 sotro fihinanana indray mandeha isan’andro rehefa manavy. Azo afangaro amin’ny rano mafana (tsy mamay) ihany koa izy io dia sotroina.

Maka aina tsara

Manampy amin’ny fampisindana ny fanaviana ny fakana aina. Araka ny voalaza teo ambony dia miady mafy ny hery fiarovana ao amin’ny vatana mba hamotehana ny otrikaretina tonga manafika azy. Fadiana arak’izany ny mamiza-tena satria mampihena ny hery fiarovana izany.

Oviana no mila manantona mpitsabo raha toa ka manavy ?

Miankina amin’ny antony mahatonga azy sy ny hamafin’ny hery fiarovana no mampisinda ho azy ny fanaviana na tsia. Manampy fotsiny ihany arak’izany ireo fikafika natoraly natory teo ireo. Mila manantona mpitsabo avy hatrany kosa nefa raha toa ka :
-tsy mety misinda ao anatin’ny 2 na 3 andry na koa mihamafy ny fanaviana ;
-mihoatra ny 40°C ny hafanan’ny vatana ;
-misy soritr’aretina hafa miseho miaraka aminy, toy ny hoe marary andoha, mienjana ny hatoka, mandoa, mifanintona, sempotsempotra, misy « éruptions cutanées » na koa fambara hafa mampanahy ;
-zaza latsaky ny 3 volana no manavy ;
-avy nandeha « voyage » tamin’ny toerana mafana sy mando lava.

Lire la suite

Articles Similaires