CMIL : Hanara-maso ny fampiasana ireo mombamomba ny olom-pirenena, eo amin’ny tontolo nomerika
Tontosa omaly 4 aogositra 2025 ny fametrahana tamin’ny fomba manetriketrika ny Vaomiera Malagasy misahana ny haikajy mirindra sy ny fahalalahana, na ny CMIL (Commission Malagasy de l’Informatique et des Libertés). Manan-danja lehibe ho an’ny fiarovana ny angon-drakitra (données personnelles) manokan’ny olom-pirenena tsirairay ity rafitra ity.
Fiarovana ny angon-drakitra
Efa tsy afa-miala amin’ny tontolo nomerika intsony isika amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Amin’ny ankapobeny anefa dia takiana amin’ny olona mampiasa ireo fitaovana rehetra mifandraika amin’ny teknôlôjia maoderina ny mombamomba azy, mialohan’ny hahafahany misitraka izany. Raha ny finday fotsiny, ohatra, no resahina, dia efa saika manana izany avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy, na ny any ambanivolo aza. Mba hahafahana mahazo ny « puce » ampiasaina amin’izy ireny, dia angatahana ny karapanondrom-pirenena, ny sary… Raha toa indray ka hiditra ho isan’ny mpajifan’ny banky, dia misy ihany koa ireo karazana antontan-taratasy, toy ny fanamarinam-ponenana, ny fanamarinam-pandoavana karama… izay angatahan’ireo banky.
Manoloana izany indrindra dia mila fanaraha-maso ny fampiasana ireny angon-drakitra nalaina tamin’ny olona ireny, izay tsy azo ampiasaina amin’ny zavatra hafa, afa-tsy izay tsy nahazoana alalana tamin’ny tompony ihany. Atom-pisian’ny CMIL voalohany, izany asa fanaraha-maso izany. Ity rafitra ity dia mahaleo tena, mifanaraka amin'ny fenitra nasiônaly sy iraisam-pirenena. Misy mpikambana miisa sivy ao anatiny, izay miandraikitra ny fiarovana ireo angon-drakitra mahakasika ny olona tsirairay eto Madagasikara. Dingana lehibe ao anatin’ny firosoan'i Madagasikara ara-pitantanana, eo amin'ny lafiny nomerika, ny fisian'ny CMIL, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Primatiora, mba hanomezana antoka ny fahatomombanan’ny fitsipika sy ny fanajana ny zon’olombelona.
Mihazakazaka ny teknôlôjia
Araka ny fanazavan’ny Solombavambahoaka Ramananjarasoa Clarisse Eugénie, solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CMIL, ao anatin’ny pejy Facebook-ny, dia ilaina ny fametrahana Rafitra mpandrindra ireo angon-drakitra manokan’ny olona tsirairay, mba tsy hisy hampiasa amin'ny asa ratsy, toy ny fisolokiana na fisandohana anarana (usurpation d'identité), izay mety hiteraka zava-doza raha tsy apetraka ny lalàna mifehy azy. Notsiahivin-dramatoa Solombavabahaka voafidy tany Ivohibe ihany koa, fa mihazakazaka ny teknôlôjia, ary efa miparitaka ny ilon-tsaina artifisialy (IA), izay manova tanteraka ny fomba amam-panao. « Natao hofehezin'ny olombelona ny teknôlôjia, fa tsy natao hamehy ny olombelona », hoy izy. Araka izany dia anjara andraikitry ny CMIL ihany koa ny fametrahana arofanina, mba tena hifantoka amin'ny tombotsoa ho an'ny olom-pirenena ny teknôlôjia, fa tsy sanatria hambotry indray.
Notanterahina omaly 4 aogositra 2025, teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, ny fianianan’ireo mpikambana eo anivon’ny Vaomiera Malagasy misahana ny haikajy mirindra sy ny fahalalahana (CMIL). Isan’ny nanatanteraka izany fianianana izany ny solombavambahoaka Ramananjarasoa Clarisse Eugénie. Nanatrika ity lanonana ity ny praiminisitra Ntsay Christian ; ireo Filohan'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona ; ny minisitry ny Fitsarana izay sady Filoha Lefitry ny Filàn-kevitra Ambonin'ny Mpitsara, Rakotomandimby Benjamin ; ireo minisitra hafa mpikamban’ny Governemanta ; ary ireo solontenan'ny Masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika.