• Cours de change
  • 5104.78 AR
  • |
  • $4436.62 AR
Copyright Image : © Apipa
Image
Vaovao

Fiomanana amin’ny fahavaratra : Efa manomboka ny fanadiovana ny lakandrano lehibe eto Antananarivo

05/08/2025 12:39 © Moov

Toerana isan’ny misedra tondra-drano na fiakaran’ny rano betsaka hatrany i Antananarivo, rehefa fotoam-pahavaratra. Mba hiomanana amin’izay dia efa mitohy ny asa fanadiovana ireo lakandrano rehetra, tanterahin’ny APIPA. Isan’ny asa atao amin’izao fotoana izao, ny eo Tsaramasay.

Hamoraina ny fivoahan’ny rano mankany amin’ny lakandrano lehibe

Lakandrano lehibe miisa telo no tena andraikitry ny APIPA (Autorité de pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo). Ao anatin’izany ny lakandrano Andriantany, Lakandrano C3 ary ny lakandrano GR. Asa tanterahina eny, ny fanadiovana ny lakandrano tsentsin’ny ria-potaka sy ny tsikafona. Marihina fa ireo telo ireo no mitondra ny rano maloto hivoaka ny tanàna. Araka izany, ireo lakandrano kely no manary mankany. Tsy nataon’ny APIPA ambanin-javatra ny fanadiovana ireny lakandrano kely, any anaty tanàna ireny mba hampisosa ny fandehan’ny rano. « Mbola misy amin’izao fotoana izao ny asa fanadiovana ny lakandrano, mampifandray ny boriborintany voalohany sy fahenina. Eo ihany koa ny mampifandray an’Ampefiloha amin’i Andavamamba Anjezika ary ny eny Anosipatrana Atsinanana mankany amin’ny Canal C3 », hoy i Andrimanandafy Jean Rolland, teknisianin’ny APIPA. Raha ny fanamarihana hatrany dia mahatratra 20Ha ny diovina ao amin’ny ilany atsimo ary hatramin'ny 70Ha ny tapany avaratra.

Jerena ny fivoahany any amin’ny renirano lehibe

Ankoatra ny asa fanadiovana ireo lakandrano maro samihafa ireo anefa dia jeren’ny APIPA, sahady ihany koa ny fahatomombanan’ny fitaovana rehetra. Ny rano eto Antananarivo moa dia mivarina any amin’ny reniranon’Imamba. Hahafahana misoroka ny mety ho loza, toy ny fiakaran’ny rano na faharavana « digue » dia kojakojaina avokoa ny lalan’ny rano rehetra. Amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana dia efa voatsirika avokoa ny toerana rehetra handalovan’ny rano, rehefa tafavoaka ny tanàna. Eo ihany koa ny « digue » rehetra ary efa voajery avokoa izay mety manohintohina ny fikorianan’ny rano.
Marihina moa fa miasa andro sy alina ny APIPA, indrindra eny amin’ireo lalana tery, mba hampilamina hatrany ny fifamoivoizana.

Lire la suite

Articles Similaires