Fahamaizan’ny tsena Sabotsy Antsirabe : Maraina vao voafehy ny afo, maherin’ny 90% ny fahasimbana
Sarotra ny fifehezana ny afo tamin’ny fahamaizana nitranga tao amin’ny Tsena Sabotsy, Antsirabe. Raha ny vaovao avy any an-toerana dia maraina mihitsy vao voafehy tanteraka ny afo. Maherin’ny 90% ny fahasimbana, ary nahitana fahamaizana avokoa ny karazana tsena rehetra.
Tsy nisy azo noraisina
Rava tao anatin'ny alina iray ny fananana sy ny fidiram-bola ho an’olona aman-jatony. Nanomboka tamin’ny 5 ora hariva sy 30 minitra, omaly no niantomboka ny afo ary maraina mihitsy vao maty tanteraka. Nandravarava ny afo ka tsy nisy azo noraisina avokoa izay rehetra nandalovany, indrindra ho an’ireo mpivarotra mametraka entana ao. Raha ny fitantaran’ireo niharam-boina dia fikorontanana herinaratra tamina mpivarotra ranom-boankazo no niantombohan’ny afo. Niparitaka tamin’ny mpivarotra akoho amam-borona, mpivarotra lamba sy ireo kojakoja isan-karazany izany. Manodidina ny 5% amin’ny ilany avaratra sisa no tsy voarain’ny afo, raha ny vaovao hatrany.
Tsena lehibe indrindra ao amin’ny tananan’Antsirabe ity ao amin’ny Tsena Sabotsy ity. Etsy ankilany dia nampanano sarotra tamin’ny fifehezana ny afo ny tsy fahampian’ny mpamonjy voina. Ankoatra ny Sampana mpamonjy voina an’ny Kaominina Andrenivohitra Antsirabe dia nanampy ihany koa ireo mpamonjy voina avy amin’ireo orinasa lehibe ao an-toerana.
Miverina mivarotra
Tamin’ny alahelo tanteraka no nahitan’ireo tompon-tsena ny vokatry ny afo, androany maraina. Nisy tamin’izy ireo mihitsy no latsa-dranomaso satria may avokoa na ny toeram-pivarotana na ny entana. Nanolotra vahaolana vonjimaika ho azy ireo nefa ny tanànan’Antsirabe. Eny amin’ny lalana Avaratsena aloha no hivarotan’izy ireo mandra-pahazoana toerana vaovao. Samy mamaritra ny toerany ny tsirairay, raha ny fanazavana. Sosialin’olona maro no simba tamin’ity fahamaizana ity. Ho sarotra ihany koa ny fanarenana ny toerana.