Fotodrafitrasa : Laharam-pahamehana ireo teboka tena manahirana eny amin’ny RN6
Tanjona ny ahitana fiovana amin’iny lalam-pirenena fahenina (RN6 : Ambondromamay – Antsiranana) iny, amin’ny faran’ity taona 2025 ity. Efa misy mandeha ny asa ary horaisina voalohany ireo teboka tena manahirana rehetra.
Tonga tsikelikely ny fitaovana
Lalana tena ampiasaina amin’ny fitaterana entana iny RN6 iny, saingy nampikaikaika ireo mpampiasa azy, indrindra ireo fiara lehibe. Amin’izao fotoana izao ny Minisiteran’ny asa vaventy dia efa miroso amin’ny fikojakojana azy tanteraka. Raha ny fanamarihana dia efa tonga tsikelikely eny an-toerana ireo fitaovana sy akora hanamboarana ny lalambe. Efa nanomboka tamin’ny fandravonana ireo teboka tena mampanahirana ny mpampiasa Làlana ny asa.
Manomboka eo Ambondromamy PK 0+000 hatrany Tsinjorano PK 20+000 ary koa ny eo amin’ny fidirana Antsatramanera PK 32+000 hatramin’ny fivoahana Antsatramanera PK 36+000 dia efa mandroso tsikelikely ny asa fikojakojana sy fanamboarana. Efa miroso ihany koa ny asa fanamboarana fototra toy ny "décapage"sy "scarification", ankoatra ny fanomezana antoka ny fitohizan'ny fifamoivoizana na ny "maintien de la circulation". Ny Orinasa Maharavo no miandraikitra ny asa ao amin’io toerana Antsatramanera io ary ny "Fonds Routier" no mamatsy vola izany.
Faritra Sofia sy Diana
Mirefy maherin’ny 700 km ity RN6 ity. Mandalo an’Antsohihy, Ambanja ary Ambilobe, alohan’ny hahatongavana any Antsiranana. Araka izany, mandalo ny faritra Sofia sy Diana, izy araka izany. Mandeha ihany koa ny fanamboaran-dalana any an-toerana amin’izao, ary ny teboka tena manahirana hatrany no hanombohana azy. Eo Antsohihy sy Ambanja (Section 3) dia miroso ihany koa ny asa vonjimaika fanamboarana ireo toerana tena mampanahirana. Ny orinasa COLAS no mpanatanteraka, eo ambany fanaraha# mason'ny LUXCONSULT (Maître d’Ouvrage Délégué # MDC).
Etsy ankilany dia manomboka eo amin’ny PK 360 hatramin’ny PK 467 no ivon’ny asa amin’izao fotoana, izay ahitana fanamboarana sy fanamafisana ny fitohizan’ny fifamoivoizana, ary fikarakarana "topographie" izay mbola mitohy.
Hahafahana manatratra ny tanjona amin’ity taona 2025 ity dia nohamafisina ny fepetra hanafainganana ny asa. Ao anatin’izany indrindra ny eo amin’ny fametrahana famantarana sy fizotran’ny fivezivezen’ny fiara, mandritra ny fotoana iasana, hoy hatrany ny Minisitera.