• Cours de change
  • 5077.28 AR
  • |
  • $4431.04 AR
Copyright Image : © Crm
Image
Vaovao

Fiatrehan’ny tanan-dehibe loza voajanahary : Miara-misalahy ny Vokovoko mena Malagasy sy Alemana

21/07/2025 12:15 © Moov

Mety misedra olana isan-karazany ateraky ny loza voajanahary ihany koa ny tanan-dehibe. Ao anatin’izany ny tondra-drano sy ny fihotsahan’ny tany. Hahafahana mahazo fiaraha-monina maharitra sy voaaro dia nifanakalo hevitra ny Vokovoko mena Malagasy sy alemana.

Ho an’ny toerana marefo

Mitohy hatrany ny ezaka fanamafisana ny faharetan’ny fiaraha-monina eto Antananarivo. Voakasik’izany indrindra ireo faritra marefo amin’ny tondra-drano, fihotsahan’ny tany ary afo. Nandritra ny atrikasa notanterahin’ny Croix-Rouge Malagasy sy ny Deutsches Rotes Kreuz (Croix Rouge Allemande) dia nifandray sy niara-nandinika ireo olana sy vahaolana azon’ny tsirairay entina hanatsarana ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra, raha sendra loza, izy ireo.

Fizaràna traikefa sy fanamafisana ny fiaraha-miasa

Nisongadina nandritra ny atrikasa ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo solontenam-panjakana, ny avy eny amin’ny fokontany, ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Croix-Rouge Malagasy ary ny ELS (Équipe Locale de Secours). Samy nizara ny olana atrehan’izy ireo amin’ny fiatrehana loza sy ny vahaolana efa nisy avy izy ireo. Nisy ihany koa ny fandinihana ireo zava-bita sy ny fanamafisana ny fomba fiasa ifotony.
Tanjon’ity fihaonana ity ihany koa ny fanovana ny fitarainana ho lasa hetsika. Namaritra ny laharam-pahamehana ary ny dingana tokony harahina ny tsirairay, mba hamahana ny olana. “Vonona izahay hanova ny zava-misy. Fantatray izay tsy ampy, ary fantatray izay tokony hatao”, hoy ny fanambin’ireo mpandray anjara.
Amin’ny fiaraha-mientan’ny rehetra sy ny fanohanan’ny Croix-Rouge Malagasy, dia azo atao tsara ny manangana fiaraha-monina afaka miatrika sy miarina haingana manoloana ny loza. Ilaina araka izany ny fiaraha-miasan’ny olona rehetra mba hahafahana miatrika ny loza voajanahary.

Lire la suite

Articles Similaires