• Cours de change
  • 5129.98 AR
  • |
  • $4421.64 AR
Copyright Image : © Chef Simon
Image
Fahasalamana&Sakafo

Salade de pâte végétarienne : Tsy ampiasàna "Charcuterie" na vokatra indostrialy hafa

26/06/2025 16:54 © Moov

'Ndao hanamboatra "Salade de pâte végétarienne" matsiro be nefa tsy mila akora voaodina na sakafo amin'ny boaty.

Tato anatin'ny roa herinandro izay, lasa mampatahotra ny mihinana vokatra indostrialy isan-karazany. Anisan'ireo tena tsy mahasarika ny maro intsony ny Charcuteries. Tsy vitsy ihany koa ireo tsy mahatoky intsony ny sakafo isan-karazany amin'ny boaty.

Akora ilaina

Arakaraka ny isan'ireo olona hihinana ny sakafo no hisafidianana ny fatran'ny akora tsirairay. Ny zavatra ilaina amin'ity sakafo ity dia macaroni, concombre, karaoty, voatabia, poivron, tongolo, atody ary menaka. Tsy adino ny fanomezan-tsiro toy ny sira sy ny dipoavatra ary ny vinaigitra.

Fikarakarana

Andrahoina ny Macaroni. Tetehina ny legioma ka atao "cuisson à la vapeur" avy eo. Azo andrahoina amin'ny rano ny legioma, ankoatra ny poivron sy ny voatabia, ka atao somary mantamanta.
Maka vilia jobo lehibe, ka manao "sauce vinaigrette". Afangaro ny tongolo voatetika, ny sira, ny dipoavatra, ny vinaigitra ary ny menaka. Rehefa vita izay dia arotsaka anatin'ilay lovia ny Macaroni sy ny legioma, ny poivron ary ny voatabia. Asiana mayonnaise avy eo. Azo atao tsara ny manampy "oeuf dur", raisins secs sy persil amin'ilay sakafo mba hampatsiro azy kokoa.

Fitandremana

Mayonnaise amboarina ao an-trano no ampiasaina. Atody akoho vaovao sy menaka azo antoka tsara no ilaina anaovana izany saosy izany. Raha vao vita ny mayonnaise dia arotsaka amin'ilay salade de pate, ary kendrena ho lany avokoa ny sakafo mba tsy ho tehirizina, na dia misy vata fampangatsiahana aza.
Ariana avy hatrany ny "mayonnaise" raha toa ka tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana nefa tapatapaka na tapaka maharitra ny herinaratra.

Lire la suite

Articles Similaires