Diplaoma hosoka tao amin’ny Oniversiten’Itasy: tompon’andraikitra telo naiditra am-ponja ao Avaradrano
Olona dimy no natolotra teo anatrehan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) eto Antananarivo, ny 30 oktobra 2026, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (BIANCO) momba ny ahiahy amin’ny fanaovana diplaoma sandoka sy ny tsy fanarahan-dalàna ara-pitantanana tao amin’ny Oniversiten’Itasy. Ny telo tamin’izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika, fa ny roa kosa nahazo fahafahana vonjimaika, eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.
Diplaoma azo tamin’ny hosoka
Araka ny fanadihadiana nataon’ny BIANCO, diplaoma Licence sy Master II no voalaza fa azon’ny mpiasa iray tao amin’ny Oniversite, na dia tsy nanaraka fampianarana sy tsy nandalo ireo fanadinana takiana aza izy. Taratasy ara-pitantanana sy ara-pianarana sandoka kosa no voalaza fa namboarin’ny filohan’ny Oniversite teo aloha, mba hanamarinana ny fahazoana ireo diplaoma ireo. Tomponandraikitra telo hafa ihany koa no ahiana ho niray tsikombakomba taminy.
Tsy nijanona teo amin’ny fahazoana diplaoma anefa ny fampiasana azy ireo. Natao tohana tamin’ny fanendrena ilay Talen’ny Fananana sy ny Sampan-draharaha ankapobeny izany, ary nampiasaina tamin’ny fangatahana fampiakarana sokajy ara-pitantanana teny anivon’ny minisitera misahana ny Asam-panjakana. Tombontsoa ara-bola no voalaza fa azony vokatr’izany.
Telo no migadra, roa eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana
Taorian’ny nanolorana azy dimy teo anatrehan’ny fampanoavana ao amin’ny PAC, dia nisy telo nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Avaradrano. Anisan’izany ny filohan’ny Oniversite, ny talen’ny Sekoly Ambony momba ny Injeniera ary ny Talen’ny Fananana sy ny Sampan-draharaha ankapobeny, izay voalaza fa nahazo tombontsoa tamin’ireo diplaoma. Ny mpandrindra ankapobeny sy ny talen’ny Fandraharahana kosa no napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.
Mbola mitohy ao amin’ny BIANCO ny fanadihadiana momba ireo raharaha hafa mahakasika ny filohan’ny Oniversite sy ireo olona voakasika. Rehefa tontosa izany dia hatolotra ny PAC ny antontan-taratasy.
Mety hahatratra folo taona an-tranomaizina ny sazy
Anisan’ny heloka mety hiampangana ireo voarohirohy ny fanaovana hosoka amin’ny taratasy ofisialy, ny fampiasana taratasy sandoka, ny fanararaotam-pahefana, ny fakana tombontsoa tsy ara-dalàna ary ny firaisana tsikombakomba. Sazy samihafa, arakaraka ny karazana taratasy nanaovana hosoka sy ny satan’ny mpanao azy, no voalazan’ny andininy faha-145 hatramin’ny faha-148 ao amin’ny Fehezan-dalàna famaizana malagasy. Mety hahatratra folo taona an-tranomaizina izany amin’ny tranga sasany. Miankina amin’ny porofo sy ny fanapahan-kevitry ny fitsarana kosa ny fiampangana farany.
Manohy ny fanadihadiana sy ny fampitana ireo raharaha any amin’ny manampahefana ara-pitsarana mahefa ny BIANCO, ho fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly.





