CEPE, BEPC, BAC 2025 : Efa miroso amin'ny famerenana faramparany ireo mpanala fanadinana
Andro sisa no isaina dia hanomboka ny fanadinam-panjakana voalohany ho an'ny taom-pianarana 2024-2025 eto Madagasikara. Efa samy ao anaty fiomanana avokoa ireo mpanala fanadinana, na ireo ankizy hanala CEPE sy BEPC, na ireo tanora hiatrika ny Bakalorea.
Ny talata 17 jona, izany hoe amin'ny herinandro hoavy io, no hanatanterahana ny fanadinana nasionaly CEPE 2025. Efa nahavita ny "CEPE Blanc" avokoa ny CISCO rehetra manerana ny Nosy, ka fanomanana faramparany ireo mpianatra sisa no atao. Miainga amin'ny voka-panadinana andrana no hampanaovan'ny mampianatra famerenana farany. Azo antoka fa hivoaka mialoha ny fetim-pirenena ny voka-panadinana manerana an'i Madagasikara.
Ho an'ireo mpanala BEPC sy BAC kosa, mbola manana herinandro vitsivitsy hiomanana ireo mpanala fanadinana. Mbola amin'ny 30 jona hatramin'ny 3 jolay mantsy ny BEPC 2025. Amin'ny 21 hatramin'ny 25 jolay kosa ny BAC 2025 ho an'ireo mpanala fanadinana amin'ny Sokajy ankapobeny. Mitohy hatramin'ny 31 jolay ny fanadinana ho an'ireo haka Bac Teknika. Ho an'ny kilasy famaranana manokana, mbola maro ireo tanora hiatrika ny "Faradoboka" ny volana jolay. Tsy vitsy ireo sekoly na mpampianatra mikarakara fampianarana manokana, eo ho eo amin'ny roa herinandro.
Fanadinana Katolika
Ho an'ireo mpianatra manaraka ny rafi-pampianarana katolika, efa nahavita fanadinana ofisialy anatiny ireo mpanala fanadinana. Tontosa ny 27 may lasa teo ny CEPE Katolika, ary ny 2 hatramin'ny 6 jona ny BEPC Katolika. Ho tanterahina tsy ho ela kosa ny BAC Katolika. Ny mari-pahaizana azon'ireo mpianatra moa dia miantoka ny fanohizana ny fianarana eny anivon'ireo sekoly katolika. Efa fanomanana rahateo ny fanadinana nasionaly izany.
Entanina sahady ny ray aman-dreny tsirairay mba samy hanohana ny mpanala fanadinana, na ara-batana na ara-tsaina. Tsy andrasana amin'ny androm-panadinana akory ny fanomezana sokolà betsaka, satria mety hiteraka fikorontanan'ny toe-pahasalamana indray izany. Dieny izao, sakafo ara-pahasalamana sy mampitombo ny fitadidiana no omena ny mpanala fanadinana, ary ezahina tandrovana ny filaminan-tsainy.