• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Fb
Image
Vaovao

Kanto Malagasy : Nodimandry i Hery Signature, zanak'i Clo Mahajanga

06/06/2025 07:31 © Moov

Lalovan-drahona indray ny tontolon'ny kanto eto Madagasikara. Nodimandry omaly 5 jona i Hery Signature, mpanakanto sady zanakalahin'i Clo Mahajanga.

Mpikambana tao amin'ny tarika Samby Jao i Hery Signature. Nanana ny hirany manokana ihany koa izy. Tany amin'ny faritra Boeny ny tenany no tena nalaza, satria sady nandimby an-drainy ihany koa teo amin'ny tontolon'ny kanto.

Aretina naharitra

Efa hatramin'ny volana septambra 2024 i Hery Signature no tojo tsy fahasalamana lalina. Nanao antso tolo-tanana mihitsy moa ny fianakaviany noho ny fahasarotan'ny fitsaboana. Efa maro ireo mpanakanto namany no nanatanteraka fampisehoana nentina nanagonam-bola. Nisy mihitsy aza ny hetsika manokana izay nametrahana vata fandatsahan-drakitra napetraka manoloana ny Lapan'ny Tananan'i Mahajanga. Nanohana ihany koa ireo mpankafy tamin'ny alalan'ny antso natao tamin'ny tambazotran-tserasera.
Na teo aza izany rehetra izany, nandao i Hery Signature, ka afaka tamin'ny fanaintainana rehetra. Tsy ho voafafa amin'ny tantaran'ny Kanto malagasy ny asan'izy mianaka, dia i Clo Mahajanga sy Hery Signature.

Lire la suite

Articles Similaires