• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Amy
Image
Vaovao

AKAMASOA : EPP Bemasoandro, mahazaka mpianatra maherin'ny 1 300

04/06/2025 20:10 © Moov

Nanolotra fotodrafitrasa goavana ho an'ny Akamasoa i Slovénie, dia ny trano lehibe fanampiny ho an'ny EPP Bemasoandro, mahazaka mpianatra maherin'ny 1 300.

Namaranan'ny filoham-pirenena Slovène, Nataša Pirc Musar, ny fitsidihany ofisialy an'i Madagasikara ny fitsidihana ny Akamasoa. Notokanany tamin'izany ny sekoly ambaratonga fototra lehibe sady manara-penitra, ho an'ireo mpianatra an'arivony. Zaza sy ankizy beazina eo anivon'ny Akamasoa avokoa no hianatra ao. Famatsiam-bola natolotr'i Slovénie moa no angady nananana izao fotodrafitrasa izao.

Père Pedro Opeka, teratany Slovène

Teraka tany Espagne ny mompera Pedro Opeka, saingy teratany Slovène ny tenany. 77 taona izy ankehitriny, ary efa 36 taona be izao no nisian'ny Akamasoa. Tanana lehibe no naorin'ny mompera Pedro satria hita eny Ambohimahitsy na trano, na sekoly, na fiangonana, na toeram-pitsaboana na toeram-pitsangatsanganana. Koa satria fanabeazana no tena imasoan'ny Père Pedro, manaraka fitsipika hentitra ireo mponin'ny Akamasoa, mba handresy ny fahantrana. Miasa avokoa ireo olon-dehibe, ary mianatra ny zaza, ankizy sy tanora : tena miezaka miavo-tena sady manomana ny hoaviny ny rehetra fa tsy miandry toloram-potsiny akory. Tanjona ny hahavitan'ireo mpianatra fianarana ambony mba hahazoan'izy ireo asa mahavelona tsara sady mendrika.
Nanome toky ny filoham-pirenena Slovène fa mbola hanohana ny Akamasoa hatrany. Ankoatra ny fanolorana fotodrafitrasa mantsy, nisy ihany koa ireo fanomezana samihafa natolotr'i Slovénie.

Fanohanana ny Akamasoa

Mbola hanohy ny fanohanana ny Akamasoa ihany koa ny Fanjakana Malagasy. Nambaran'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa hatsangana ny Centre de Formation Professionnelle eny an-toerana. Ho jerena manokana ihany koa ireo mpampianatra ka hampidirina mpiasam-panjakana.
Manan-danja lehibe sady miavaka tokoa ny Akamasoa, hoy hatrany ny filoha Andry Rajoelina, matoa notsidihin'ireo filoham-pirenena nanatanteraka fitsidihana ofisialy. Tsiahivina fa nitsidika sy nanolotra fanomezana ho an'ny Akamasoa ihany koa ny Filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara, ny volana aprily lasa teo.

Lire la suite

Articles Similaires