• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Festival Somaroho : Tanjona ny ho lasa festival laharana voalohany eto amin’ny Ranomasimbe Indianina

04/06/2025 16:46 © Moov

Hifamotoana any Nosy Be indray ireo mpankafy ny festival Somaroho, rehetra ny 7 hatramin’ny 10 aogositra izao. Notanterahina teny amin’ny Campus Yas Andraharo, androany 4 jona ny resaka tamin’ny mpanao gazety mikasika ny hetsika.

Nampiakarina ny lenta

Miditra amin’ny andiany faha-12 indray ity lanonana lehibe, karakarain’ny mpanakanto Wawa sy ny ekipany ho an’i Nosy Be ity, amin’ity taona 2025 ity. Oharina amin’ireo andiany 11 teo aloha rehetra dia efa andalam-panomanana ny fanavaozana rehetra entina mandritra ny hetsika izy ireo. Lehibe rahateo ny tanjon’ny mpikarakara tamin’ity taona ity dia ny hanatanteraka ny nofinofin’ny Malagasy. « Tian’ny malagasy ny ahita zavatra miavaka hatrany rehefa fety. Hotanterahinay izany na amin’ny seho na amin’ny mpanakanto izay ho asaina na amin’ireo fomba fampisehoana. Entinay hanandratana avo ny Festival ihany koa ireo rehetra ireo ka mba ho laharana voalohany amin’ny festival eto Madagascar ny festival Somaroho », hoy ny Manager an’ny mpanakanto Wawa, Franck PC, sady mpandrindra ny Festival.
Isan’ny hanamarika ny festival ny halehiben’ny sehatra izay mirefy 200m2 miaraka amin’ireo fitaovana raitra, avy amin’ny Nyrimage. Ankoatra ny carnaval lehibe, izay efa hamantarana azy dia hanafana ny lanonana ny lalao isan-karazany sy ireo mpanakanto. Vinavinain’ireo mpikarakara ny handray olona hatramin’ny 100 000 isa, mandritra ireo 4 andro ireo.

Mpanakanto iraisam-pirenena sy Malagasy

Isan’ny hanafana ny hetsika ny fiantsoana mpanakanto vahiny, izay mbola notazomin’ireo mpikarakara ho tsiambaratelo. « Artiste lehibe izy io ary avy lavitra. Raha avy eto amin’ny Ranomasimbe Indianina hatrany no nasaina hatramin’izay dia nisokatra amin’ny firenena hafa isika », hoy i Wawa, nanazava. Nanamarika izy ireo fa avy amin’ny « sondage » natao tamin’ireo mpankafy no nahafahana nisafidy io mpanakanto io.
Ankoatra izay moa dia haka solontena avy amin’ny faritany enina ireo mpikarakara ; mba hahafahana mampivelatra ny kolontsaina sy manome fahafaham-po ireo mpitsidika. Marihina fa fialan-tsasatra lehibe io fotoana io ka ahitana Malagasy avy amin’ny toerana samihafa ary ahitana vahiny ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires