• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Yas Madagascar
Image
Vaovao

SIAE 2025 eny Mahamasina : Ambohi-pihaonan'ireo mpandraharaha sy mpankafy vokatra Malagasy

04/06/2025 16:41 © Moov

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany 4 jona ny Salon International des Acteurs Économiques (SIAE) andiany faha-4. Maharitra 4 andro ny hetsika, izany hoe hatramin'ny sabotsy 7 jona.

Fifandraisan'ireo samy mpandraharaha

Ny "rencontre B to B" na fihaonan'ny samy mpandraharaha no tena votoanton'ny SIAE. Samy mampiranty ny vokany ny mpandraharaha mba hanintonana orinasa samihafa eto an-toerana, na hahitana lalam-barotra ny ivelany. Tsy adino ny fiaraha-miasa amin'ny famarotana sy ny fanaparitahana ireo vokatra manerana ny Nosy. Ireo mpisehatra amin'ny fanodinana sakafo sy ny lamaody moa no tena maro an'isa amin'ireo mpampiranty eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina. Saika tanora nanangana ny orinasany manokana moa no liana amina hetsika goavana toy izao.
"Tosika hanohanana ny mpandraharaha malagasy, indrindra ireo tanora miezaka mivoatra, no tena antom-pisian'ny SIAE. Marobe mantsy ireo vokatra malagasy miavaka tokoa nefa tsy dia misy mahafantatra.Tsy vitsy ireo vokatra afaka mifaninana tsara amin'ireo atolotra eo anivon'ny tsena iraisampirenena", araka ny nambaran'ireo mpikarakara. Koa satria manome vahana ny tanora malagasy mpandraharaha ny hetsika, manohana tanteraka izany ny Yas Madagascar.
Misokatra ho an'ny besinimaro moa ny SIAE 2025, na olon-tsotra na mpianatra. Tsy mandiso fanantenana ireo vokatra vita Malagasy tsara kalitao, jifaina amin'ny vidiny mirary.

Fanohanana ireo tanora mitady asa

Tsy ny vokatra hanina, sotroina sy tafiana ihany no hita eny amin'ny Kianja Barea. Mampiranty mandritra ny SIAE 2025 ihany koa ireo mpampiofana matihanina izay manomana avy hatrany amin'ny sehatry ny asa. Ny ONG My Future ohatra dia mandray an-tanana ireo tanora malagasy maniry ny hiasa any ivelany. Nandritra ny 5 taona izay, maherin'ny 300 ireo vita fiofanana nahazo asa any Amerika, ka miasa amina toeram-pivahinianana, toeram-pisakafoanana na sambo mpitondra mpizahatany.
Tsara ny manamarika fa tsy fampirantiana ihany no tanterahina mandritra ny SIAE 2025. Misy ihany koa ny famelabelaran-kevitra iarahana amina mpandraharaha matihanina.

Lire la suite

Articles Similaires