• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Mta
Image
Vaovao

Fitadiavam-bola : Mpanao asa tanana 890 avy amina faritra 4 misehatra amin’ny fanodinana arina ekolojika

04/06/2025 10:57 © Moov

Mpanao asa tànana miisa 288 teto Analamanga no nahazo mari-pahaizana taorian’ny fiofanana momba ny fanamboarana arina ekolojika, omaly. Tafiditra ao anatin’ny ny tetikasa « La chaîne d’or écologique », izay tonga amin’ny fotoana famaranana azy izany. Tetikasa notohanan’ny F.CMA.M sy ny Fonds Malgache de Formation Professionnelle, teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa tànana (MTA), io.

Fampiofanana mandritra ny 11 volana

Naharitra 11 volana ity tetikasa « La chaîne d’or écologique, essor du charbon durable à Madagascar » ity. Faritra efatra no nitondrana ny fampiofanana tamin’izany dia Itasy, Atsinanana, Boeny ary Analamanga. Samy nampiasa akora izay hita isaky ny faritra ka azo haodina, ireo mpisehatra. Isan’izany ohatra ny potika acacias tany Atsinanana, oditra voanio tany Boeny, akotrim-bary tany Itasy, ary ambin-damba ho an’Analamanga.
Tanjona amin’ny tetikasa ny fanofanana mpanao asa tànana sy ny fanohanana azy ireo amin’ny fidiram-bola maharitra. Eo ihany koa ny fikendrena ny fanomezana asa miaro ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanodinana akora ho lasa arina ekolojika. Amin’izao fotoana izao dia efa miisa 890 ireo mivelona amin’ny fanamboarana arina ekolojika taorian’ny fiofanana, izay natolotra.
Notontosaina tamin’ny fomba ofisialy, omaly moa ny lanonana famaranana ny tetikasa. Nandritra izany dia mpandray anjara miisa 288 no nahazo mari-pahaizana, teto Analamanga. Tonga nanome voninahitra ny hetsika ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tànana, Ramatoa Viviane Dewa, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Mitohy ny ezaka hanamafisana ity sehatra maitso ity, ho fiveloman’ny maro sy fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Isan’ny tafiditra ao anatin’ny seha-pihariana « recyclage » izany, izay tanjon’i Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires