• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Belloc
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fahadisoana mila tandremana hisoroana ny tsy fahalevonan-kanina

03/06/2025 14:07 © Moov.Mg

Efa akaiky ny fetin’ny Pentekosta ary efa miomakomana amin’ny fiaraha-milanonana sy misakafo ny mpianakavy. Rehefa vita ny fety dia maro ireo mitaraina tsy nahalevon-kanina noho ny tsy fitandremana na ny tsy fahalalana. Andeha ary ho fantarina ireo fahadisoana mila tandremana mba hisorohana ny tsy fahalevonan-kanina, indrindra rehefa fety toy izao.

Fadiana ny mihinana haingana loatra hisorohana ny tsy fahalevonan-kanina

Matetika rehefa fety sy fiaraha-misakafo dia feno sakafo maro karazany eo ambony latabatra. Tsy andry izay hinanana sy handaniana ny eo ambony lovia satria maika ny hanampy na hanandrana sakafo hafa. Fahadisoana lehibe nefa ny fanaovana izany satria isan’ireo antony mahatonga ny tsy fahalevonan-kanina ny fihinanana haingana loatra. Mba hisorohana izany ary dia mila tsakoana tsakoana sy hoanina miadana tsara ny sakafo. Manatsara sy manamora ny fandevonan’ireo taova fandevonan-kanina azy ireo izany.

Tsy misotro rano mandritra ny fotoana fisakafoanana

Faheno matetika ny hoe tsy tsara ny misotro rano eo am-pisakafoanana satria mampiadana sy manakorontana ny fandevonan-kanina izany. Raha ny marina nefa dia ilaina ny misotro rano rehefa misakafo. Rehefa mifangaro amin’ireo sakafo vaingany ao anatin’ny vavony ny rano dia mampalemy ireo sakafo ireo ka manamora ny famotehan’ny vavony azy. Tsy misotro rano be loatra kosa nefa fa atao amin’ny antonony.

Misotro toaka avy hatrany vao avy misakafo

Maro tokoa ny mihevitra fa manampy amin’ny fandevonan-kanina ny fisotroana toaka rehefa avy misakafo na ilay ataon’ny vahiny hoe « digestif ». Mifanohitra amin’izany nefa ny zavatra mety mitranga. Ny fisotroana toaka rehefa avy nihinana sakafo be dia mampitombo ny « calories » trohan’ny vatana. Ankoatra izay dia manakorontana ny fandevonan-kanina izany satria lasa voasakana ny famokarana « gastrine » izay miantoka ny famokarana « suc gastrique ». Ity farany dia tsiranoka ao anatin’ny vavony manamora ny fandevonana ny sakafo.

Mifady sakafo alohan’ny fety

Fahadisoana tsara tandremana ny fifadiana sakafo alohan’ny fiaraha-misakafo rehefa fety. Mety tsy ho zakan’ny vatana tokoa mantsy ny fiovana tampoka ateraky ny tsy fihinana sakafo mihintsy avy eo tonga dia misakafo be. Mety miteraka fikorontanan’ny fandevonan-kanina izany, ary mety mampitombo lanja ihany koa. Raha maniry hifady sakafo dia tsara raha aorian’ny fety, izany hoe aorian’ny fotoana hisakafoanana be, no manatanteraka izany. Tsara hatrany ny manantona mpitsabo alohan’ny hanaovana fifadiana sakafo, indrindra raha maharitra andro maromaro ny anaovana azy io mba hitandrovana ny fahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires