Beach Soccer : Hotanterahina any Mahajanga ny Mazavaloha Festival andiany faha-2
Hotanterahina any Mahajanga, renivohitry ny faritra Boeny, amin’ny fiandohan’ny volana jona ho avy izao, ny « Festival Beach Soccer » andiany faharoa, karakarain’ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra.
Fifanintsanana nasiônaly
Ny 3 hatramin’ny 9 jona ho avy izao no hanatanterahana ny « Mazavaloha Festival Beach Soccer », izay fifanintsanana nasiônaly handraisan’ireo ligim-paritra am-polony anjara, amin’ny lalao baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika. Ekipa miisa 12 no andrasana hifanintsana amin’izany, izay hizara ao anaty vondrona miisa 4. Hatreto dia miisa 7 ireo ekipa efa namaly ny antso, araka ny fanazavan’ny tale teknika nasiônalin’ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra (FMF), Rado Rasoanaivo.
Tsy fifanintsanana tsotra fotsiny ny « Beach Soccer », hoy ny filoha lefitra voalohan’ny (FMF), Jean Pontiac Théophan, fa maneran-tany dia fety mihitsy ity hetsika ity. Izany rahateo no nahatonga ny hetsika ho « festival », ka ahitana lanonana, « carnaval » sy fampisehoana isan-karazany. Mialohan’ny hanombohan’ny fifanintsanana dia hisy ny fampiofanana ireo mpanazatra, manomboka ny 29 mey hatramin’ny 2 jona. Ilay frantsay, Claude Barrabé, no nalefan’ny Federasiona Iraisam-pirenena momba ny baolina kitra (FIFA) hanatanteraka izany.
Hanangana ekipam-pirenena
Mikendry tanjona lehibe iray ihany koa ny Mazavaloha Festival Beach Soccer, dia ny hitrandrahana ireo mpilalao manan-talenta, ho afaka handrafitra ny ekipam-pirenena ho an’ny « Beach Soccer ». Tanjona amin’izany ny hahafahan’i Madagasikara mandray anjara amin’ny fiadiana ny amboaran'i Afrika (CAN) sy ny amboara eran-tany, amin’ity taranja ity.
Araka izany, raha natoritory, teo aloha teo, ny baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika teto Madagasikara, dia miezaka ny manetsika izany indray ny FMF amin’izao fotoana izao. Manohana ity taranja ity, sy ny hetsika Mazavaloha Festival Beach Soccer, ny orinasa Yas Madagascar, izay nampiantrano ihany koa ny tafa niarahana tamin’ny mpanao gazety, androany 27 mey 2025, teny Andraharo.