• Cours de change
  • 5124.39 AR
  • |
  • $4531.43 AR
Copyright Image : © Nosyw
Image
Vaovao

Fanjariantsakafo : Maniry ny hiverina ao anatin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ny tanora

26/05/2025 16:50 © Moov.Mg

Manana anjara toerana ao anatin’ny ady ho an’ny fanjariantsakafo ny tanora. Niray latabatra tamin’ireo parlemantera sy ireo mpiara-miombona antoka ny solon-tenan’izy ireo, avy amin’ny tambajotran’ny tanora NOSYW, tamin’ny herinandro lasa teo, tao anatin’ny atrikasa nokarakarain’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena HINA.

Fanamby ho an’ny fanjariantsakafo

Tanjon’ny atrikasa notontosaina ny 22 mey 2025 teo, teny Antaninarenina, ny handinihana ny fandraisan’anjaran’ireo fiarahamonim-pirenena, sy ny parlemantera, amin’ny fanatanterahan’i Madagasikara ireo fanamby noraisina teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nandritra ny fihaonana an-tampony momba ny Fanjariantsakafo ho an'ny fitomboan'ny harinkarena (N4G), izay notanterahina tany Parisy tamin’ny volana martsa lasa teo. Nandray anjara mivantana tamin’ny fifanakalozan-kevitra ireo solontenan’ny tanora mivondrona ao amin’ny NOSYW.

Isan’ireo mpisehatra afaka miady ho an’ny fampihenana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo eto Madagasikara ny tanora, izay nambaran’i Faniry Hantarinivo, filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena HINA, fa « tompon’ny ankehitriny ». Araka izany, nisy ny asa efa niarahan’ny firaisamonim-pirenena nanatanteraka tamin’ireo tanora. Tamin’ny fihaonana tamin’izy ireo no nampahafantarana an’ireo tanora ny momba ny fanjariantsakafo. Nisy ihany koa ny fangalana ny hevitr’izy ireo, momba ireo hetsika heverina fa hahatrarana ny tanjona, dia ny hampihenana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika ho 3%, hatramin’ny taona 2030, raha 7,7% izany ankehitriny ; ary ny hampidinana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka ho 25,9%, hatramin’ny 2030, raha 39,8% izany, amin’izao fotoana izao.

Mila tohana ny tanora

Araka ny fanazavan-dRandrianantenaina Tafita, « jeune ambassadeur » mikambana ao anatin’ny tambajotra NOSYW avy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, dia mila tohana ny tanora, mba hahafahan’izy ireo tena mandray andraikitra amin’izany ady ho an’ny fanjariantsakafo izany. « Maniry ny hiverina ao anatin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana, ary ny fanatsarana ny famokarana ny tanora, mba hahafahana mampihena ny tahan’ny tsifanjariantsakafo », hoy izy. Dingana iray lehibe amin’izany ny fananana fahalalana bebe kokoa, hahafahana manodina ny vokatra ao an-toerana. Noraisiny ho ohatra ny vokatra voatabia, izay betsaka no miakatra rehefa fotoanany, araka izay hita ao an-tsenan’i Sabotsy Antsirabe. Saingy tsy lany izany, ka zary ariana fotsiny, hoy izy, nefa azo ahodina. Manoloana izany dia mila fanampiana avy amin’ny sehatra maro ny tanora, hoy Randrianantenaina Tafita, eo amin’ny lafiny famatsiam-bola, fampitaovana, ary indrindra, fampiofanana.

Manana solontena miisa 2 isaky ny Faritra manerana an’i Madagasikara moa ny tambajotran’ny tanora NOSYW, izay mijoro ho fanoitra ho an’ny fanjariantsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires