• Cours de change
  • 5124.39 AR
  • |
  • $4531.43 AR
Copyright Image : © Msanp
Image
Vaovao

Fandidiana ny aretina mamany lava : Vehivavy 1.000 isan-taona no manatona hôpitaly

26/05/2025 16:22 © Moov.Mg

Mbola mitohy ny fanamarihana ny andro eran-tany ho famongorana ny aretina mamany lava eto Madagasikara. Ny hôpitaly CHU Tambohobe Fianarantsoa manokana dia mbola mandray ireo vehivavavy mila fandidiana, hatramin’ny 31 mey 2025. Azo tsaboina amin’ny alalan’ny fandidiana tokoa mantsy ity aretina ity, saingy mbola betsaka ireo vehivavy marary no tsy sahy manatona toeram-pitsaboana.

Maimaim-poana ny fandidiana

Vehivavy miisa 2.000 tratran’ny aretina mamany lava no andrasana hanatona hôpitaly mba hotsaboina amin’ny alalan’ny fandidiana, isan-taona, saingy manodidina ny 1.000 eo ihany no tonga, araka ny nambaran’ny Dr Irène Brigitte, miandraikitra ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza eo anivon’ny fitaleavana misahana ny fianakaviana ao amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tombanana ho mahatratra 2.000 hatramin’ny 4.000 anefa ny trangan’aretina vaovao isan-taona, eto Madagasikara. Araka izany, olan’ny fahasalamam-bahoaka eto amintsika ny aretina mamany lava.

Maimaim-poana anefa ny fandidiana sy ny fanafody ilaina rehetra amin’ny fitsaboana, ho an’ireo vehivavy tratran’ity aretina ity. Raha ao anatin’ny hetsika fandidiana faobe, tahaka izay atao any Fianaratsoa amin’izao fotoana izao aza, dia mbola iantohana maimaim-poana hatramin’ny saran-dalana mandroso sy miverina, ho an’ny marary sy ny mpiandry marary iray. Tahaka izany koa ny sakafon’izy ireo eny amin'ny hopitaly, mandritra ny 21 andro. Ankoatra izay dia tolorana « kit de dignité » izy ireo, izay ahitana kojakoja samihafa ilainy ao amin’ny hôpitaly sy azony ampiasaina aorian’ny fandidiana.

Ireo tovovavy no lasibatra

Miisa 15 ireo hôpitalim-panjakana afaka manatanteraka fandidiana ireo vehivay tratran’ny aretina mamany lava eto Madagasikara, ankoatra ireo tobim-pitsaboana tsy miankina miisa 10, izay miparitaka manerana an’i Madagasikara. 22 kosa no isan’ireo dokotera mpandidy manam-pahaizana manokana momba ity aretina ity, ka ny 3 amin’ireo no manana ny lentan’ny « experts ». Hatramin’ny taona 2010, izay nanatanterahana ny hetsika fandidiana faobe ny aretina mamany lava teto amintsika, dia miisa 12.291 ireo fantatra fa nandalo fandidiana. Ireo vehivavy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 19 taona no tena lasibatra, araka ny fanazavan-dRakotonanahary Viviane, tomponandraikitry ny serasera sy ny fahasalamana ifotony eo anivon’ny fitaleavana misahana ny fahasalaman’ny fianakaviana, ao amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Mbola ao anatin’ny fanamarihana ny andro eran-tany ho famongorana ny aretina mamany lava eto Madagasikara, dia hitohy any amin’ny CHRR Amboanato Taolagnaro ny hetsika fandidiana, amin’ny volana jolay, ary ao amin’ny CHU Tanambao Antsiranana, amin’ny volana ôktôbra. « Ny fahasalamany, ny zony : manorina ny ho avy tsy misy ny aretina mamany lava » no lohahevitra voizina, mandritra izany.

Lire la suite

Articles Similaires