• Cours de change
  • 5105.98 AR
  • |
  • $4526.76 AR
Copyright Image : © Rijason Fenohery
Image
Vaovao

Nosy-Be : Notokanana ny "City Ylang-Ylang", ahitana Trano Mora miisa 80

23/05/2025 10:49 © Moov

Tontosa androany zoma 23 may ny fanokanana ny Cité Ylang-Ylang ao Ampasindava Nosy-Be, misy Trano Mora miisa 80. Fianakaviana 80 araka izany no hifindra trano tsy ho ela.

Mivahiny ao Nosy-Be ny Fitondram-panjakana, tarihan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Notontosaina tany an-toerana ny Filankevitry ny Minisitra, omaly 22 may.

Trano Fonenana, Zo fototra

Entina hihainoana ny hetahetam-bahoaka isam-paritra ny Filan-kevitry ny Minisitra mitety faritra. Ho an'i Nosy-Be manokana, maromaro ny fotodrafitr'asa tokanana, ka anisan'izany ny "City Ylang-Ylang". Natao hiadanan'ny fianakaviana kely mihitsy moa ny trano tsirairay, satria misy efitra fandriana miisa 2, misy trano fandraisam-bahiny, misy lakozia ary misy trano fidiovana & fivoahana.
Efa tontosa tamin'ny volana oktobra 2023 moa ny fisarihana ireo fianakaviana hisitraka ireo trano ireo. Maherin'ny 3 000 ireo nisoratra anarana, ka 80 no voasarika. Tsy misy zana-bola ny vidin'ny trano raha aloha avy hatrany ny vidiny, na aloha ao anatin'ny 5 taona (60 volana). Misy zana-bola kosa izany raha aloha ao anatin'ny 10 hatramin'ny 15 taona. Manana safidy izany ireo olona nahazo trano amin'ny fandoavam-bola, arakaraka ny fahefany manokana.

Ezaka fampananana trano fonenana

Mbola malalaka tokoa i Nosy-Be, ka izany indrindra no hahafahana manomboka tetikasa vaovao mikasika ny fampananana trano fonenana. "I Nosy-Be no atao filamatra amin'ny fananganana trano ho an'ny rehetra", hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Mbola sakana ny vidin'ny trano raha Trano Mora no resaka. Ireo olona manana asa fivelomana maharitra toy ny Mpiasam-panjakana rahateo no afaka misoratra anarana. Misy tany maromaro toloran'ny fanjakana, izay mitentina 3 hatramin'ny 6 tapitrisa ny vidiny. Hisy tanàna vaovao izany, hampidiran'ny fanjakana jiro sy rano, atao vonona hanorenana, sady asiana sekoly sy toeram-pitsaboana. Afaka mividy izany avokoa ny olona rehetra, indrindra ireo manao asa madinika. Hisy ny "plan" atolotra ka ny tsirairay ihany no hanatanteraka ny fanamboarana : hitovy izany ny endriky ny trano rehetra ao anatin'ilay tanàna vaovao.

Fanohanana ireo ankohonana sahirana sy ireo tanora

Tafiditra tao anatin'ny fandaharam-potoan'ny filoham-pirenena sy ireo tompon'andraikitra ambony ny fanolorana vatsy ho an'ireo ankohonana sahirana ao Nosy-Be. Vary, menaka, savony sy karazan-tsakafo. "Raisina ho laharam-pahamehana ny fikarakarana ny vahoaka", araka ny nambaran'ny Minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie Marie Augustine. Ny tanjona moa dia ny fanohanana ny fianakaviana tsirairay, indrindra ireo ray aman-dreny, mba hahavita hamelona sy hampianatra ny zanany. Mikasika ny fampianarana indrindra, nisitraka fanomezana ireo ankizy hanala fanadinana CEPE, dia fitaovam-pianarana miaraka amin'ny kitapo sy zava-pisotro. Nampahatsiahivin'ny filoham-pirenena ihany koa fa hahazo Kit Solaire ireo tokantrano mbola tsy nisitraka izany, nefa manana karinem-pokontany.
Maromaro ireo Fikambanam-behivavy nisitraka fanomezana, dia vola hanatanterahana tetikasa, 2 hatramin'ny 10 tapitrisa ariary. Misy ireo hisehatra amin'ny fanamboarana savony, fanodinana sakafo, fanamboarana mofomamy, sns. Hisy ny fananganana Oniversite sy Toeram-pampiofanana isankarazany mba hahamora ny fampianarana ambony, ny fidirana amin'ny sehatry ny asa sy ny fananganana orinasa.

Lire la suite

Articles Similaires