• Cours de change
  • 5105.98 AR
  • |
  • $4526.76 AR
Copyright Image : © Gouvernorat Diana
Image
Vaovao

Rano fisotro madio : Mahatratra 1600m³ isan’andro ny tsy fahampian'ny famokarana ao Nosy Be

23/05/2025 09:48 © Moov.Mg

Distrika isan’ny miaina olan’ny tsy fahampian-drano i Nosy Be sy Antsiranana, any amin’ny Faritra DIANA. Tapaka nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly 22 mey 2025, tao amin’ny trano fivorian’ny Banky Foibe tao Nosy Be, fa hirosoana ny fanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio any an-toerana.

Manana loharanon-drano tsara i Nosy Be

Araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra, dia mahatratra 1600m³ isan’andro ny tsy fahampian'ny famokarana rao ao Nosy Be raha 15.000m³ isan’andro kosa ho an’ny ao Antsiranana. Ny fitomboan'ny filàn'ny mponina no voalaza fa miteraka izany tsy fahampiana eo amin’ny fisitrahana rano fisotro madio izany.

Tahaka izay mitranga, saika manerana an’i Madagasikara, dia efa an-taonany maro no tsy nisy ny fanavaozana sy fanampiana fotodrafitrasa any Nosy Be sy Antsiranana, ka tsy maharaka ny fitombon’ny mponina izany. Isan’ny nomarihin’ny filoham-pirenena izany, nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra omaly. Raha i Nosy be manokana anefa dia « tena am-pototry ny rano, hoy ny filoha Andry Rajoelina, ary manana ny loharanon-drano faran'ızay tsara sy madio, ka tsy tokony ho ory rano ». Vao andro vitsy lasa anefa izay no tapaka nandritra ny 15 andro ny rano tany an-toerana.

Asa fanamboarana sy fanavaozana

Araka izany, asa hotanterahina maika any amin’ny Distrikan’i Nosy Be ny fanoloana ireo paompy sy kojakoja efa simba. Havaozina tanteraka ihany koa ny rafitra famatsian-drano hahazoana famokarana 4800m³ fanampiny isan’andro, miaraka amin’ny fametrahana "groupes de secours". Ankoatra izay dia hamafisina ny fantson-drano ao Ampahiribe Andilana sy any amin’ireo toerana avo. Ho an’Antsiranana kosa dia hametrahana "forages à drain" miisa enina ao Antongombato ary efatra ao Sahantanana. Ankoatra izay dia havaozina sy hitarina ny "station de traitement" efa misy ao amin’ny PK7 ary hosoloina ny fantson-drano avy amin'ny tohodranon’Ambodimanga. Etsy an-daniny, hamboarina ireo tobim-pamokarana sy fitahirizan-drano manerana ny tanàna ary havaozina ireo fantsona mizara rano, izay mirefy 75km ny totaliny.

Ezahina ho hafainganina ny famitana ireo asa ireo, hoy ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra.

Lire la suite

Articles Similaires