Fanamby momba ny fanjariantsakafo - N4G : Hanara-maso, ny fiarahamonim-pirenena sy ny parlemantera
Hifanampy amin’ny fitondram-panjakana, amin’ny fanatanterahana ireo fanamby noraisin’i Madagasikara nandritra ny fihaonana an-tampony momba ny fanjariantsakafo, N4G, ny fiarahamonim-pirenena miaraka amin’ireo parlemantera. Niaraka namolavola drafitrasa, hahatrarana ny tanjona ireto farany, androany 22 mey 2025, teny Antaninarenina.
Nametraka Fanamby miisa 6 i Madagasikara, izay hotratrarina hatramin’ny taona 2030, nandritra ny fihaonana an-tampony momba ny Fanjariantsakafo ho an'ny fitomboan'ny harinkarena (N4G), izay notanterahina tany Parisy ny 27 sy 28 martsa lasa teo. Isan’ny tanjona napetraka ny hampidinana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika ho 3%, hatramin’ny taona 2030, raha 7,7% izany, araka ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana (EDS) taona 2021. Tanjona ihany koa ny hampidinana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka ho 25,9%, hatramin’ny 2030, raha 39,8% izany, araka ny EDS-2021. Notanterahina androany 22 mey 2025 ny atrikasa niraisan’ireo parlemantera sy ny firaisamonim-pirenena ho famolavolana ny drafitrasa fanaraha-maso ireo fanamby noraisin’i Madagasikara nandritra ny N4G ireo.
Ady ho an’ny fanjariantsakafo, ady marolafy
Na ny Fanjakana aza no nametraka ny fanamby, dia mila mifanome tanana avokoa ny rehetra, mba hahatrarana ny tanjona, amin’ny maha-ady marolafy ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Ny fiarahamonim-pirenena dia mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny fanamby, araka izay tratran’ny fahefana eo am-pela-tanana, miaraka amin’ireo parlemantera, hoy ny nambaran’i Faniry Hantarinivo, filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena HINA. Asa isan’ny hotanterahina amin’ity taona 2025 ity, araka ny fanazavany, ny fampahafantarana ireo fanamby noraisin’i Madagasikara any amin’ireo antanatohatra rehetra, manomboka eny ifotony. Taorian’ny atrikasa notontosaina androany, ohatra, dia hifampiresaka amin’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony (AC) ireo solon-tenan'ny HINA isaky ny Faritra. Entanina izy ireo hanatanteraka izay asa azony atao, izay tsy ilana famatsiam-bola fanampiny ary tsy hiandrasana ny Fanjakana foibe.

Hatsaraina ny lalàna
Mpanao lalàna no asan’ny solombavambahoaka, ka isan’ny anjara asa hotanterahin’ireo parlemantera ny fanatsarana sy fanavaozana ireo lalàna mahasahana ny fanjariantsakafo, hoy kosa ny Dr. Rajaobelina Lova Herizo, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'i Moramanga. Mety hisy, noho izany, ny tolo-dalàna hatolotra, hanatsarana sy hanavaozana ny lalàna efa misy, mba hahafahana manafaingana ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Niara-nanamarika moa ny solombavambahoaka sy ny fiarahamonim-pirenena, fa na tsy nisy fanitsiana ny teti-bolam-panjakana aza tamin’ity fotoam-pivoriana voalohan’ireo parlemantera, taona 2025 ity, dia tsy mahasakana ny fanatanterahana ireo fanamby noraisina izany. Tsy ny teti-bolam-panjakana fotsiny rahateo, fa ireo karazana famatsiam-bola rehetra miompana amin’ny fanjariantsakafo, no miantoka ny teti-bola hanatanterahana ireo fanamby, araka ny fanazavan’i Faniry Hantarinivo.
Fiaraha-miasan’ny mpisehatra rehetra
Taorian’ny atrikasa notanterahina androany, dia namoaka fanambarana niarahana ireo parlemantera sy ny firaisamonim-pirenena, ahitana ny vovonana HINA, ny tambajotran’ny tanora NOSYW sy ny CCOC. Nivoitra tao anatin’izany fanambarana izany fa hametraka fiaraha-miasa mirindra ireo olom-boafidy, miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny tanora. Hapetraka ihany koa ny drafitrasa hahafahana manara-maso ny fanatanterahana ireo fanamby noraisia teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miaraka amin’izay dia hamafisina ny haitaky ho an’ny fanjariantsakafo, eo anivon’ireo mpanapa-kevitra sy ireo mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola. Ny mpisehatra rehetra amin’ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo mihitsy no hetsehina, ka isan’izany ny tanora, izay « tompon’ny ankehitriny ». Tanjona ny hahatonga ny fanjariantsakafo ho laharam-pahamehana ao anatin’ny politikam-panjakana sy ny teti-bolam-panjakana.