• Cours de change
  • 5098.61 AR
  • |
  • $4522.36 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahatsetseman’ny lalandrà : Azo tsaboina saingy mbola tsy vita tanteraka eto Madagasikara

22/05/2025 16:37 © Moov

Aretina mpahazo ireo olona efa mahazo taona ny fahatsetseman’ny lalandrà. Matetika dia aretina mitaiza na tavy no tena mahatonga ny lalandrà ho marefo. Misy ny Malagasy narary ary sitrana taorian’ny fitsaboana izay natao tany ivelany, raha ny fijoroana vavolombelona nataon’izy ireo. Ny Nosy Maorisy no akaiky an’i Madagasikara, ary any ny hôpitaly tena fandehanan’ny Malagasy maro an’isa.

Hôpitaly Malagasy – tsy ampy fitaovana

« Volivoly ny tanana sy ny tongotra, rehefa avy eo marary foana ny loha ary vizaka be. Rehefa nentina tany amin’ny mpitsabo dia nahazo fanafody saingy niverina hatrany ilay aretina volana maromaro taty aoriana. Niverina tany amin’ny mpitsabo indray ary natao ny fitiliana samihafa ary teo vao fantatra fa nisy tsentsina ny lalandrà mankao amin’ny fo. Nanoro hevitra ny mpitsabo fa mila mandalo mpitsabo fo (cardiologue) ka izy ireo no naniraka hitsabo tena any Maurice, satria tsy vita eto an-toerana », hoy i Rasandifera, nanazava ny aretiny. Araka izany, tsy vita teto Madagasikara ity fitsaboana fo ity satria nila fandidiana samihafa mba hahafahana mampiasa indray ilay lalandrà, araka ny tokony ho izy. Ny Royal Green Hospital ao Maorisy araka izany no nandray azy. Nodidiana tany an-toerana izy mba hahafahana mametraka ny atao hoe « stent » na ilay fitaovana hahafahana mitazona ny lalandrà hisokatra. Fandidiana izay tsy vita eto Madagasikara noho ny tsy fahampian’ny fitaovana. Toy izany ihany koa no nahazo ny Rain’i Joanne Randreza, izay nodidiana tany an-toerana.
Nanamafy izany ihany koa ireo mpitsabo izay nilaza fa « manana manam-pahaizana i Madagasikara saingy ny ny fitaovana no mametra ny fitsaboana eto amintsika », hoy i Rajaonarisoa Andrianjaka, anisan’ny mpitsabo ao amin’ny Royal Green. Tsara ny manamarika fa manana trano eva mandritra ny Foire Internationale de Madagascar (FIM) eny Ivato, ity hôpitaly ity, manomboka androany.

Manomboka 6 000 Euros hatramin’ny 10 000 Euros

Raha ho an’ity hôpitaly ao Maorisy ity dia manomboka eo amin’ny 6 000 Euros eo ho eo ny fandidiana mikasika ny fo. « Miankina amin’ny isan’ny lalandrà ho tsaboina ny vola aloha fa mety ho tonga hatramin’ny 10 000 Euros ny sarany », hoy ny avy ao amin’ny Royal Green Hospital.
Sarotsarotra amin’ny Malagasy rehetra anefa ny fanefana izany, ka tafiditra ao anatin’ny tetikasan’izy ireo ny hitondra ireo mpitsabo eto Madagasikara. Mbola tsy voafaritra kosa ny fotoana, hanatanterahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires