Fotodrafitrasa : Misy ampahany ho vita tara alohan’ny faran’ny volana jona ny asa fanarenana ny RN7
Nijery ny fandrosoan’ny asa fanarenana ny lalam-pirenena fahafito (RN7) ny Minisitra ny asa vaventy, omaly, niaraka tamin’ireo avy ao amin’ny faritra Vakinankaratra sy ny avy ao amin’ny Distrikan’Ambatolampy. Mirefy eo ho eo amin’ny 100km eo ny fitambaran’ny asa hotanterahina eo anelanelan’Antananarivo sy Antsirabe. Nandritra izany fidinana an-tsehatra izany no nanambarana fa hisy lalana ho vitaina tara alohan’ny faran’ny volana jona.
Antananarivo – Ambatolampy
Ampahan-dalana maro eo anelanelan’Antananarivo sy Ambatolampy no mila fanarenana ary tafiditra ato anatin’ity asa ity. Ny orinasa ZONGHMEI no manatanteraka ny asa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, amin’ny alalan’ny tetikasa PDDR, eo. Raha ny tatitra dia mitohy ny asa fanadiovana (scarification) sy fametrahana ny sosona fototra, ka tanjona ny handrakotra tara ny 14 km alohan’ny faran’ny volana jona. Ao anatin’izany ny lalana mamakivaky ny tanànan’Ambatolampy. Tsara moa ny manamarika fa fotodrafitrasa maharitra ho lovainjafy no tanjona, hentitra ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny amin'ny fanatanterahana ny asa rehetra ka manara-maso akaiky izany, hatrany.
Ambatolampy – Antsirabe
Mirefy eo amin’ny 10km eo kosa ny ampahan-dalana ho vitaina tara alohan’ny fiafaran’ny volana jona, raha ho an’ny Ambatolampy mitohy amin’Antsirabe. Tafiditra ao amin’izany ny lalana miditra sy mamakivaky ny tanànan’Antsirabe. Ny Fonds Routier no mamatsy vola ireo asa ivelan’ny tetikasa PDDR ireo ary tanterahin’ny orinasa SITEX BTP sy MAGIC SA. Tafiditra ao anatin’ny asan’izy ireo ny mikasika ny làlana mampitohy an’Ambatolampy sy Ihazolava, Andranokobaka sy Andranomanelatra, ary Mandaniresaka sy Antalaviana. Efa tonga eny an-toerana avokoa ny fitaovana ilaina, efa mandeha tanteraka ny asa : efa misy faritra miroso amin’ny fandrarahana tara.
Etsy ankilany moa dia ezahina ho vitaina hatramin'ny faran'ny taona ny asa ho tanterahina rehetra mba hanamorana ny fifamezivezena indray. Raha tsiahivina mantsy dia lasa mihoatra ny ora 5 ny hanaovana io lalana mirefy 175km io ; raha toa ka tokony ora 3 eo ho eo ihany. Marihina fa tsy mijanona hatreo Antsirabe ihany ny fanamboarana ny RN7, fa mitohy hatrany amin’ny faritra atsimo.