Antenimierampirenena : Lany ny tolo-dalàna mifehy ny famokarana sy fivarotana toaka gasy
Mifikitra tanteraka ao anatin’ny kolontsaina malagasy ny toaka gasy, satria saika ahitana azy daholo ireo karazana fombafomba, na an-kasoavana na an-karatsiana. Hatreto anefa dia mbola voararan’ny lalàna ny famokarana sy fivarotana azy, na dia iaraha-mahalala aza fa misy ireo manao izany. Nolanian’ny Solombavambahoaka nandritra ny fivoriambe azon’ny rehetra atrehina, notanterahina omaly 21 mey 2025, ny tolo-dalàna mikasika ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy eto Madagasikara.
Toaka gasy, zava-pisotro nentim-paharazana
Ny Solombavambahoaka Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges, voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambositra, no nanolotra ity ny Tolo-dalàna laharana faha-001-2025/PL momba ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy eto Madagasikara ity, izay lany teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza tamin’ny endriny nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana. Raha tsiahivina dia efa nanolotra ny tolo-dalàna laharana faha 03/2019 mikasika ny famokarana sy fivarotana ny toaka gasy ihany koa Razafitsiandraofa Jean Brunel, Solombavambahoaka voafidy tao Ikongo tamin’izany fotoanany. Nolanian’ny teo anivon’ny Antenimierampirenena izany, tamin’ny talata 16 jona 2020 ka Solombavambahoaka miisa 72 no nandany tsy nasiam-panovana ity tolo-dalàna ity. Notsipahin’ny teo anivon’ny Antenimierandoholona anefa izy io ny 23 jona 2020 ka dia mbola voarara hatramin’izao.
Amin’ny maha-zava-pisotro misy alikaola nentim-paharazana ny toaka gasy, dia natolotry ny Solombavambahoaka Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges indray ity tolo-dalàna vaovao ity. Tanjona amin’izany ny fitsinjovana ny tombotsoan'ireo tantsaha mpamokatra toaka gasy eny amin' ny tontolo ambanivohitra. Ny famelana ny toaka gasy hovokarina sy hamidy mlalaka, ao anatin’ny fanajana ireo fepetra voafaritry ny lalàna, dia heverina fa hitondra tombontsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an'ny firenena sy hampitombo ny fidiram-bolan'ny Kaominina. Ahitana lohateny miisa 6 sy andininy 49 ity tolo-dalàna ity, izay mikasika ny fepetra ankapobeny, ny famokarana toaka gasy sy ny fivarotana azy, ireo adidy amin'ny hetra, ny momba ny fandikan-dalàna sy ny fanenjehana ary ny sazy mifandraika amin’izany.
Fanamafisana ny fanaraha-maso
Mba tsy ho gaboraraka ny famokarana sy fivarotana ny toaka gasy, dia nangatahin'ireo Solombavambahoaka ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny fanarahana ny fepetra sy fenitra amin'ny famokarana, mba hiarovana ny fahasalaman'ny mpanjifa. Takiana ao anatin’izany ny hananganana kômity teknika ho an’ny fampanaraham-penitra (comité technique de normalisation), izay hahitana ireo mpamokatra, solon-tenan’ny Kaominina, teknisianina ary ny solontena avy amin'ny mpanao lalàna.
Misy mampiavaka azy ity Tolo-dalàna ity, raha mitaha amin'ireo efa natolotry ny Solombavambahoaka teo aloha. Isan'izany ny famerana ny tahan'ny alikaola ho 44°C, ny fametrahana fenitra mba ho fitsinjovana ny fahasalaman'ny mpanjifa, ny fanomezana taratasy fahazoan-dàlana eo anivon'ny Fokontany sy ny Kaominina ary ny fametrahana "étiquetage" amin'ny vokatra, raha mivoaka ny Distrika namokarana azy izany.
Ny alarobia 4 jona 2025 no hodinihina eny amin’ny Antenimierandoholona, sy handraisana fanapahan-kevitra mandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina, ity tolo-dalàna ity.