• Cours de change
  • 5093.13 AR
  • |
  • $4517.55 AR
Copyright Image : © Ana Soberon
Image
Vaovao

AKAMASOA : Mahantra manampy mahantra, 30 tapitrisa no voaangona

22/05/2025 08:27 © Moov

Taon-jaobilin'ny fanantenana no ankalazaina eny anivon'ny Akamasoa. Hetsika maro no tanterahina amin'izany, ka anisan'izany ny fanampiana ireo mahantra.

Raha ny mahazatra dia ny efa manana ny ampy no manolotra ho an'ny mahantra. Marobe tokoa ireo fikambanana sy orinasa samihafa nanolo-tanana ny Père Pedro Opeka, nentina nampandrosoana ny Akamasoa. Koa satria efa 35 taona mahery no nijoroan'ny vondrona, mivoatra na ny fotodrafitr'asa, na ny tolotra sitrahin'ireo mponina, na ny fampianarana.

Mahantra manampy Mahantra

"Tsy misy manana ny ampy, fa sambatra izay mifanampy" : Tanteraka tokoa izany fitenenana izany teo anivon'ny Akamasoa. Mahatratra 30 tapitrisa mantsy ny vola voaangona hanampiana ireo olona sahirana ivelan'Antananarivo. Na dia "mahantra" miady amin'ny fiainana tokoa aza ny eo anivon'ny Akamasoa, nanao ezaka hafakely izy ireo mba hanohanana ireo olona sahirana hafa. Ohatra tsara ho an'ny Malagasy rehetra ihany koa izao hetsika "mahantra manampy mahantra" izao.
Teny amin'ny Nonciature Ivandry moa no nanaovana ny fanambarana io lelavola voaangona io. Nandray anjara tamin'ny tolo-tanana fanomezana ihany koa moa ireo mponina manodidina ny Akamasoa Ambohimahitsy sy ny Nonciature Ivandry. Tsara ny manamarika fa hatolotra ho an'ny Diosezin'Antsiranana sy Taolagnaro ny vola voaangona.

Fitaizana sy fanabeazana

Toeram-pitaizana feno ny Akamasoa. Tsy toloram-potsiny akory ireo mponina rehetra ao. Maromaro ny fitsipika arahin'ny tsirairay : amin'ny ankapobeny dia miasa ireo olon-dehibe ary mianatra ireo ankizy. Tsiahivina fa misy sekoly ambaratonga fototra hatramin'ny Oniversite ny an-toerana. Fepetra takiana ihany koa ny fikojakojana ireo fotodrafitr'asa rehetra sy ny fitandrovana ny fahadiovana. Tanjona moa ny hahatafita sy hampahaleo tena tanteraka ireo olona rehetra raisina an-tanana eny an-toerana.
Vao omaly 21 may no naneho hevitra tao amin'ny "Vatican News" sy ny "Radio Vaticana" ny mompera Pedro Opéka. Noresahiny tamin'izany ny lesona goavana nomen'ny Papa François azy, mikasika ny fitsinjovana manokana ireo mahantra. Iray fiaviana ihany koa izy mirahalahy, sady samy nisafidy ny hiahy ireo mahantra.

Lire la suite

Articles Similaires