• Cours de change
  • 5093.13 AR
  • |
  • $4517.55 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Centre Saint Maurice : Nahazo tohana avy amin’ny Fondation Axian ireo ankizy zanaky ny voafonja

21/05/2025 19:47 © Moov.Mg

Manana zo ny hiaina toy ny ankizy rehetra ny zanaky ny olona voafonja. Misy amin’izy ireny anefa no migadra tsy fidiny, miaraka amin’ny rainy, na ny reniny, indrindra ireo tena mbola bitika. Ontsa, teo anatrehan’izany fahoriana izany ry masera avy amin’ny fikambanana Saint Maurice, ka nanokatra ivon-toerana mandray an-tanana ireo ankizikely zanaky ny voafonja ao Antanimora. Mila tohana manokana izy ireo, amin’izany asa soa ataony izany.

Tohana ho an’ny ankizy

Miisa 26 amin’izao fotoana izao ireo zanaky ny voafonja taizain-dry masera ao amin’ny Centre d’Enfant Saint Maurice eny Avaradoha, raha toa ka 25, raha ny tokony ho izy, no zakan’ity ivon-toerana ity. Nisy fotoana aza, efa nahatratra 36 isa ireo ankizy indray noraisin-dry masera an-tanana tao. Fitaizana iray manontolo no asa sahanin-dry masera, izany hoe : miantoka ny sakafo, ny fandriana, hatramin’ny fampianarana ireo ankizy efa taonan’ny miditra eny amin’ny garabola. Ireo ankizy efa misara-nono, manomboka herintaona sy tapany, hatramin’ny 5 taona sy tapany, no beazin’izy ireo.

Tsy manana fidiram-bola manokana anefa ity ivon-toerana ity, fa ireo malala-tanana no manatitra fanampiana, ho entin-dry masera mikarakara ireo tsy manan-tsiny kely. Androany 21 mey 2025, dia ny Vondrona Axian, tamin’ny alalan’ny Fondation Axian, sy ny Kaominina Antanananrivo Renivohitra, no tonga nanatitra tohana teny an-toerana. Sakafo sy fitaovana ilaina amin’ny andavanandro, toy ny vovo-dronono, koba Aina, bodofotsy… no natolotra tamin’izany, izay tafiditra ao anatin’ny asa fanasoavana efa fanaon’ny Fondation Axian, araka ny fanazavan-dRazakamanantsoa Jessica tomponandraikitry ny fifandraisana amin'ny fiarahamonina (community relation manager) eo anivon'ny Vondrona Axian. « Ankoatra ireo tetikasam-pampandrosoana sahaninay, dia tena ifotoranay ny fitondrana fanampiana maika ho an‘ireo izay mila izany. Ity androany ity dia natao indrindra mba ho firaisam-po amin’ireo ankizy, izay tokony ho afaka ny hihalehibe ao anaty fahamendrehana sy ao anaty fanajana feno ireo zony », hoy izy.

Mila ny fanampian’ny malala-tanana

Satria tsy manana fidiram-bola manokana hampihodinana ny Centre d’Enfant Saint Maurice ry masera, dia irian’izy ireo indrindra, raha mba misy afaka manampy, ka hanome tany, hahafahan’izy ireo manana antom-pivelomana, fa tsy hiankin-doha lava amin’ireo malala-tanana, hoy i masera Soavinjafy Scolastique tomponandraikitra voalohany ao amin’ity ivon-toerana ity. Tany hahafahan’izy ireo mamboly sy miompy no tena ilainy, araka ny nambarany, fa ihany koa, toerana malalaka hahafahana mandray ankizy maro kokoa. Isan’ny noraisin-dry masera an-tanana ihany koa mantsy, teo aloha, ireo ankizy kely tsy manan-kialofana, saingy tsy afaka ny nanohy izany intsony izy ireo, noho ny fahateren’ny toerana. Ireo zanaky ny voafonja aloha no natao laharam-pahamehana. Etsy an-daniny, satrin-dry masera ny hanohy ny fanabeazana ireo ankizy, ka tsy hijanona eo amin’ny kilasy garabola fotsiny ny fampianarna omena azy ireo, fa hitohy hatramin’ny ambaratonga fototra, fara-faharatsiny, hoy i masera Scolastique, namboraka ny faniriany.

Miisa 7 mianadahy moa izy ireo ankehitriny no mpanabe raikitra ao amin’ny Centre d’Enfant Saint Maurice, ankoatra ireo mandalo manome tanana amin’ny fikarakarana ireo ankizy. Ny fiaraha-miasa tamin-dry mompera avy amin’ny fikambanana Trinitera, izay miahy ireo voafonja eto Madagasikara, no nahafahana nanangana ny ivon-toerana. Izy ireo ihany koa no hany « centre » mandray an-tanana ny zanak’ireo voafonja eto amintsika, raha ny nambaran’ny masera tomponandraikitra.

Lire la suite

Articles Similaires