Ben'ny tanàna vehivavy : Nofanina hahay mitady loharanom-bola hamatsiana ny fanaovam-baksiny
Afaka manampy amin’ny fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara ny fahaiza-mitantana eny ifotony. Araka izany dia nisy ny atrikasa nanamafisana ny haitarik’ireo vehivavy Ben’ny tanàna vao voafidy farany teo, avy amin’ny Faritra 10 eto Madagasikara, nanomboka omaly 20 ary nitohy androany 21 mey 2025, teny Antaninarenina.
Manetsika loharanom-bola eny ifotony
Nanao ezaka ny Fitondram-panjakana amin’ny fampiakarana ny teti-bola ho an’ny Fahasalamam-bahoaka. Raha ny sora-bola ao anatin’ny teti-bolam-panjakana 2025 mantsy no ampitahaina amin’ny teti-bola tamin’ny taona 2024, dia nahitam-piakarana manodidina ny 28,6% izany. Na izany aza anefa dia mbola tsy ampy ny vola atokana ho an’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny eto amintsika. Raha tsiahivina ny Fifanarahan’i Abuja, izay nakatoavin’i Madagasikara, dia tokony ho ny 15%-n’ny teti-bola nasiônaly no atokana ho an’ny fahasalamana.
Manoloana izany indrindra, dia zava-dehibe ny fahaizan’ny eny ifotony manetsika loharanom-bola hafa, mba ho fandraisana anjara amin’ny fampiakarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara. Isan’ny antom-pisian’ny atrikasa notanterahina omaly sy androany, teny Antaninarenina izany, izay teo ambany fanentanan’ny vovonana HINA, ny tambajotran’ny tanora NOSYW, ary ny fiarahamonim-pirenena CCOC. Nandritra ny atrikasa, dia nampahafantarina an'ireo vehivavy Ben’ny tanàna ny lalàna mifehy ny fitantanana ny Kaominina sy ny fitsinjaram-pahefana. Tsapa mantsy fa vitsy ireo mahalala ny lalàna fototra mifehy ny asa maha-Ben’ny tanàna. Vitsy amin’ireo vehivahy Ben’ny tanàna ihany koa no mahafantatra ny fomba hampiasana ny vola ho an’ny tobim-pahasalamana fototra (dotation CSB), araka ny fanazavan’i Faniry Hantarinivo, filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny vovonana HINA.
Kely ny teti-bolan'ny Kaominina
Tsapa fa kely ny teti-bola atokana ho an’ny Kaominina, amin’ny ankapobeny, ary dia kely manaraka izany ihany koa ny teti-bolan’ny Kaominina atokana ho an’ny fahasalamana. Noho izany dia nomena fiofanana ireo vehivavy Ben’ny tanàna, ny amin’ny fomba ahafahana mitady vola eny anivon’ny Kaominina misy azy, fa tsy voatery miandry ny « subvention », na ny hetra efa mahazatra, izay ifampizarana amin’ireo sehatra hafa. Nomena paipaika ahafahana mitady loharanom-bola hafa izy ireo, satria maro ireo lahasa, izay tsy dia ilàna vola be, nefa afaka mitondra fanatsarana eo amin’ny fandraisana an-tanana ny fanaovam-baksiny, hoy hatrany i Faniry Hantarinivo. Isan’izany ny fampahafantarana ny tetiandrom-baksiny, ny fampahafantarana ireo karazam-baksiny, ny fanentanana ataon’ireo Ben’ny tanàna any amin’ireo Fokontany lavitry ny Kaominina, ny fampanatonana ny vaksiny eny anivon’ny Fokontany…

Raha ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Ampahitrosy, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano manokana, dia efa nahitam-bokany ny fanofanana azon'ny Ben'ny tanàna tamin’ny taon-dasa, niarahana tamin’ny vovonan’ireo firaisamonim-pirenena HINA, NOSYW ary CCOC. Araka ny fanazavan-dRanivomananony Lovasoa, Ben’ny tanànan’ity kaominina ity, dia efa nisy ampahany amin’ny teti-bola iasan’ny kaominina amin’ity taona 2025 ity, no nofaritana manokana ho an’ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fanaovam-baksiny. Asa isan’ny hosahanin’ny kaominina, hoy izy, ny fanamafisana ny fanentanana ireo ray aman-dreny, ny fitsirihana ireo zaza mbola tsy vita vaksiny, ary hotohanana ao anatin’izany ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony (AC). Mahatratra 97% moa ny tahan’ny zaza vita vaksiny ao amin’ny Kaominina Ampahitrosy, araka ny nambaran-drtoa Ben’ny tanàna.
Fahasalamana fototra
Taorian’ny atrikasa dia nanao fanambarana manamafy ny fanoloran-tenany ireo Ben’ny tanànan’ny Faritra miisa 10, izay iasan’ny vovonana HINA, NOSYW ary CCOC, ao anatin’ilay tetikasa fanamafisana ny haitaky hampitomboana ireo loharanom-bola natokana ho an’ny vaksiny eto Madagasikara. Andriambololona Laurence, filohan’ny vehivavy Ben’ny tanàna voafidy teto Madagasikara, no nitondra ny feon’izy ireo tamin’izany. Zava-dehibe ny fahasalamana fototra sy ny fanaovam-baksiny, ao anatin'ny dingana ho fampandrosoana ny firenena, hoy izy. Mbola tsy ampy anefa ny loharanon-karena ilaina amin’ny fanatanterahana ireo asa atao eny anivon’ny Kaominina, na dia eo aza ny fanohanana sy fandraisana anjara avy amin’ny mpiara-miombona antoka, toy ny Alliance GAVI. Eo anatrehan’izany dia vonona ny hanamafy ny ezaka amin’ny fampitomboana ireo loharanom-bola, sy ny fanatsarana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ireo mpiantsehatra rehetra eny ifotony, ireo vehivavy Ben’ny Tanàna. Tanjona ny hahafahana manatsara ny fampiasana ireo loharanom-bola amin’ny fomba mahomby, sy ny hahazoana manatsara ny fisitrahan’ny vahoaka ireo tolotra ara-pahasalamana fototra, indrindra ny vaksiny.