Mikasa ny hiteraka : ireo lafin-javatra mila dinihina alohan’ny hirosoana
Dingana iray lehibe eo amin’ny fiainana ny fanapahan-kevitra hiteraka. Tsikaritra fa mihena ankehitriny ny isan’ny zaza teraka eo amin’ny firenena maro. Maro ireo antony mety mahatonga izany, toy ny lafiny ara-bola, ny tanjona ara-kasa, ny toe-pahasalamana… Mba hanomezana fiainana milamina ny zaza hateraka dia andeha ho fantarina ny santionany amin’ireo lafin-javatra mila heverina alohan’ny hanapahan-kevitra ny hiteraka.
Fiomanana ara-bola alohan’ny hanapahan-kevitra ny hiteraka
Raha ny eto amintsika manokana dia mbola maro ireo zaza sy ankizy miaina fiainana tsy zarizary sy anaty fahasahiranana tanteraka. Maro tokoa mantsy ireo mpivady na vehivavy tokan-tena sahirana ara-bola nefa mbola miteraka ihany. Marihana nefa fa mila vola ny fiterahana sy ny famelomana ny zaza. Alohan’ny hanapahan-kevitra ny hiteraka ary dia mila dinihina hoe mahavita misahana ireo fandaniana ilaina rehetra ve ny toe-bola sy ny vola miditra. Raha tsikaritra fa mbola tsy ampy izany dia aleo manangom-bola sy manampy fidiram-bola izay vao miroso amin’ny fiterahana mba hisorohana ny olana ara-bola izay mety misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny zanaka.
Fizahana ny toe-pahasalamana
Mbola vitsy amintsika Malagasy no mahafantatra fa mitana anjara lehibe eo amin’ny fahafahana mitoe-jaza, mitondra vohoka tsy ieren-doza ary miteraka zaza salama ny toe-pahasalaman’ny ray sy ny reny. Noho izany dia mila mizaha fahasalamana aloha ny vehivavy vao manapa-kevitra ny hiteraka. Jerena amin’izany fahalavorarian’ny fahasalamana ara-pananahana, ny fanafody nohanina teo aloha, ny fahazaram-piainana… Raha manana areti-mitaiza, na ny lahy na ny vavy, dia mila hifampiresahana amin’ny mpitsabo aloha izany. Manampy amin’ny fisorohana ny fahafahan-jaza, ny fiterahana zaza sembana… ny fanatanterahana izany.
Fananana filaminana ara-tsaina sy toe-po
Andraikitra lehibe mila fananana fahamatorana ara-toe-po sy filaminana ara-tsaina ny fiainana maha ray aman-dreny. Mila mila mifampiresaka tsara ny mpivady alohan’ny hanapahana hevitra ny hiteraka. Ilaina ny fahavononan’ny andaniny sy ny ankilany amin’ny fiatrehana ireo andraikitra sy fiovana maro takian’ny fitaizana sy ny famelomana zanaka. Zava-dehibe ihany koa ny fahamafisan-korina ny fanambadiana na ny fiarahan’ny ray sy reny satria ny fitaizana zanaka dia mety mahavita mandrava ny fiarahana raha tsy mahavita miatrika ny andanininy na ny ankilany.
Fananana fotoana sy hery hitaizana ny zanaka
Mitaky fotoana sy hery lehibe ny fitaizana sy famelomana ny zanaka. Ny zazakely dia mila fanaraha-maso sy fikarakarana tsy ankiato. Rehefa miha lehibe izy dia miova ny fikarakarana azy, nefa kosa mbola mila fandraisana andraikitra be hatrany. Alohan’ny hiterahana ary dia mila mandinika hoe efa vonona sy manana io fotoana sy hery io tokoa ve ?