• Cours de change
  • 5093.13 AR
  • |
  • $4517.55 AR
Copyright Image : © Metfp.
Image
Vaovao

Plateforme Inserjeune : Hanampiana sy hanamorana ny fidiran’ny tanora amin'ny sehatry ny asa

21/05/2025 12:46 © Moov

Notontosaina omaly, tao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP) ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny Plateforme Inserjeune. Sehatra natokana ho fanaraha-maso sy fanatsarana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa. Tohanan’ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) amin’ny alalan’ny IFEF (Institut de la Francophonie pour l’Éducation et la Formation), ity tetikasa ity.

Hanomanana tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa

Natao indrindra hanombanana ny fahafahan’ny tanora manana diplaoma miditra amin’ny sehatry ny asa, sady ihany koa hijerena ny karazan’olona mety ho ilain’ny mpampiasa, izy ity. Izany hoe, natao hampitoviana lenta ny fahaizan’ny tanora sy ny ilaina eny anivon’ny toeram-piasana izany. Tanjona ihany koa ny hampifanaraka ny tolotra fiofanana ho matihanina amin’ny tena filan’ny tsenan’ny asa. Ity tetikasa ity, izay efa nandramana tany amin’ny firenena afrikanina miisa 16, dia natomboka teto Madagasikara tamin’ny taona 2022 izay tamina orinasa 20. Izany hoe naharitra telo taona ny fanandramana natao taminy. Ankehitriny, raha ny fanazavana avy amin’ny Minisitera, mpampiasa mihoatra ny 23 000 no efa mampiasa ny Inserjeune ary efa ho 21 707 ireo nahazo diplaoma ao anatiny, miofana sy miezaka mampiakatra ny fahaizany, hifanaraka amin’ny filàn’ny tsena.

Fiofanana mifanaraka amin’ny orinasa

Ity rafitra ity dia ahafahana mamantatra sy mamaritra ireo sehatra manome asa araka ny toerana misy azy ary mitarika ireo mpianatra hanaraka ny fivoaran’ny asa. Ho an’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa dia mikendry ny hahatonga ny tanora hisafidy ny fanofanana ara-teknika fa tsy hanao izany ho vahaolana farany fotsiny. Amin’ny alalan’ity Inserjeune ity mantsy dia hanara-maso ny mpianatra aorian'ny fanofanana ny ministera, fa koa hanentana ny orinasa handray anjara bebe kokoa ao anatin’ny « plateforme ».
Ity farany ity moa dia hamoaka antontan’isa momba ny asa mahaliana ny tanora sy hahafahana mahazo fidiram-bola, amin’ny vanim-potoana sy toerana rehetra. Izany hoe hahafahana manavao ny fampiofanana tokony hatolotra, hifanaraka amin’ny filàn’ny tsena izy.

Lire la suite

Articles Similaires