Minisitry ny Tontolo Iainana : Takiana amin’ny Base Toliara ny fanonerana ara-tontolo iainana sy ara-tsôsialy
Mbola miteraka resa-be hatrany ny momba ny fanatanterahana ny tetikasa Base Toliara. Isan’ny mahatonga ny tsy faharesen-dahatra, ny mety ho fiantraikan’ny fitrandrahana amin’ny faritra arovana Ranobe PK32. Nitondra fanazavana momba izany ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Tsy ho voakasika ny faritra arovana
Nomarihin’ny minisitra Fontaine Max Andonirina, fa tsy misy fitrandrahana maneran-tany, ka tsy misy fiantraikany ara-tontolo iainana. Na izany aza, mbola notsindriany, nandritra ny fanehoan-kevitra nataony omaly 20 mey 2024, fa tsy hahakasika ny faritra arovana Ranobe PK32 akory ny asa fitrandrahana hataon’ny Base Toliara. Tsy ao amin’ny toerana hanatanterahana ny fitrandrahana ilay sary ahitana baobaba izay niparitaka, fa mbola any amin’ny faritra atsimo kokoa, araka ny fanazavany. Etsy an-daniny, tsy mifanitsaka ny faritra hitrandrahana sy ny faritra arovana Ranobe PK 32. Notsipihiny fa ny 95% amin’io faritra hanatanterahana ny tetikasa io dia kirihitr’ala sy bozaka no tena hita ao. Araka izany, te hampitony ny ahiahin’ireo manohitra ny tetikasa ny minisitry ny tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy.
Fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-tsôsialy
Nanamafy ny minisitra fa tsy azo atao tsinontsinona ireo baobaba manodidina ny faritra arovana, fa tena manana ny lanjany ara-tontolo iainana, ara-kolontsaina, ary ara-toekarena, noho izy mampiavaka an’i Madagasikara ka misarika mpizahatany. Takiana amin’ny orinasa Base Toliara, noho izany, ny fanonerana ara-tontolo iainana (compensation écologique) araka ny tokony ho izy, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo sy ny fanarenana ny ala, ohatra. Raha misy fahasimbana amin’ny toerana iray, dia azo arenina amin’ny toerana hafa izany, mba hahatrarana ny tanjona dia ny tsy fisian'ny fahaverezana ara-tontolo iainana mihitsy (absence nette de perte écologique). Etsy an-daniny, araka ny tatitry ny minisitra, dia efa naneho ny fahavononany ny orinasa Base Toliara, amin’ny fanohanana ny mpitantana ny faritra arovana Ranobe.
« Tsy ny fitrandrahana no fahavalon’ny tontolo iainana fa ny fahantrana. Izany no mahatonga ny fanapahana hazo hanaovana kitay sy saribao », hoy i Fontaine Max Andonirina. Noho izany, ankoatra ny ara-tontolo iainana dia hisy ihany koa ny fanonerana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fanatsarana ny velon-tenan’ny mponina. Misy hetsika maro azo tanterahina amin’izany, toy ny fiompiana tantely, ny fizahan-tany ara-tontolo iainana (écotourisme)… izay hampidi-bola ho an’ny vondron’olona ifotony. Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-tsôsialy, izay takiana amin’ny Base Toliara avokoa, ireo fanonerana ireo, araka ny fantatra, mba hanarahana ny lalàna sy hampifandanjana ny fiantraikany ara-tontolo iainana sy ny tombontsoa ara-toekarena ary ny ara-tsosialy.