Morombe : Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitantana eny ifotony ho amin’ny jono maharitra sy fiarovana ny honko
Nisitraka fampiofanana mikasika ny fitantanana maharitra ny honko sy ny harena an-dranomasina ireo mpikarakara LMMA na Locally Managed Marine Areas, tao Morombe. Notanterahina ny 16 ka hatramin’ny 18 mey, teo izany. Tetikasa tanterahin’ny Madagascar National Parks ao anatin’ny Programme Pêche Côtière Durable (PCD), ka tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpikarakara LMMA ireo.
Fitantanana maharitra avy eny ifotony
Naharitra telo andro ny fampiofanana, izay nahitana solontena miisa 17 avy amin’ny LMMA. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny fitantanana ifotony sy ny fiarovana ny harena voajanahary ity hetsika ity, izay tohanan’ny Madagascar National Parks, niarahana tamin’ny Asity Madagascar sy ny Réseau MIHARI.
Nentina tamin’ny lohahevitra hoe “Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Mpitantana LMMA” ny fampiofanana. Nandinika sy nifanakalo hevitra ireo mpandray anjara momba ny fomba hitantanana ny honko, ny harena an-dranomasina, ary ny paikady maharitra entina miaro ireo loharanon-karena anaty rano sy an-tanety. Nasongadina manokana koa ny anjara andraikitry ny vehivavy sy ny tanora amin'ny fitantanana ny harena voajanahary, izay heverina ho antoky ny faharetan'ny ezaka.
Nifantoka tamin’ny fahaiza-manao ara-pitantanana, ny fanaraha-maso ara-tontolo iainana, ary ny fampiharana ny jono maharitra sy mitsinjo taranaka ny fiofanana. Tanjona amin’izany ny hanatsarana ny fidiram-bolan’ny mponina, miaraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izay iankinan’ny fiainan’ny vondrom-piarahamonina eny an-toerana.
Fiarovana ireo harena ara-boajanahary
Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanamafisana sy fametrahana Valanjavaboaary manokana manodidina ny Valanjavaboaary Mikea sy ny Complexe Mangoky-Ihotry, izay tantanin’ny Asity Madagascar amin’izao fotoana izao. Ireo faritra ireo dia ahitana zava-maniry sy biby manokana izay tandindonin-doza, ka mila fepetra hentitra amin'ny fiarovana azy.
Manoloana izany fanamby amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany dia zava-dehibe ny fanomezana hery sy fahaiza-manao ireo mpitantana LMMA. Araka ny tanjona hoe : “Jono mirindra sady maharitra, mitsinjo ny taranaka ho finaritra”, izany hoe jono am-pilaminana, maharitra ary mikendry ny ho avy. Mino ireo mpiara-miombon'antoka fa amin'ny alalan'ny fandraisana andraikitra iombonana sy fanamafisana ny tambajotran'ny mpitantana ifotony dia ho tratra ny tanjona amin'ny fiarovana sy fitantanana maharitra.