• Cours de change
  • 5041.07 AR
  • |
  • $4518.51 AR
Copyright Image : © Sud Ouest
Image
Reny&Zaza

Ankizy kely mandeha « crèche » : ireo aretina mety hahavoa azy

15/05/2025 14:58 © Moov.Mg

Toerana iray hifamezivezen’ny bakteria sy ny viriosy ny « crèche ». Maro amin’ireo ankizy kely no mora mahazo aretina any amin’ireny toeram-pitaizana ireny noho ny hery fiarovan’izy ireo mbola marefo. Andeha ary ho resahana eto ny santionany amin’ireo aretina mety hahavoa ny ankizy kely mandeha « crèche ».

Ireo aretin’ny taovam-pisefoana

Ny aretin’ny taovam-pisefoana no isan’ny miparitaka sy mora mifamindra amin’ny ankizy kely mandeha « crèche ». Matetika moa dia avy amin’ny viriosy sy bakteria ireny karazana otrikaretina ireny. Anisan’izany ny :
-Sery izay miseho amin’ny fisian’ny lelo, orona tsentsina, kohoka, mievona ary indraindray manavinavy ;
-Gripa izay ahitana soritr’aretina toy ny hoe manavy be, reraka, koha-maina, manain-taina ny hozatra ary mety marary kibo, maloiloy ary mandoa ;
-« Virus respiratoires syncytial » izay otrikaretina mety mitarika « bronchiolite » ;
-« Otite moyenne », izay aretina mahazo ny sofina miseho amin’ny fanaintainan’ny sofina, fanaviana, fahakizitinana ary indraindray mety misy tsiranoka mivoaka eo amin’ny sofina.

Ireo aretin-kibo

Maro ihany koa ireo karazana areti-kibo mifindra izay mety mifamindra amin’ny ankizy kely any amin’ny « crèche ». Anisan’izany ohatra ny « gastro-entérite » izay azo avy amin’ny viriosy na bakteria. Isan’ireo soritr’aretina fahita ny hoe mandoa, mivalana, marary kibo ary manavy. Mety mitarika « déshydratation » izy io eo amin’ny zaza mbola kely.

Ireo aretina hafa

Ankoatra ireo voalaza teo ambony dia misy ihany koa ireo karazana aretina hafa mety azon’ny ankizy kely any amin’ny « crèche » :
-« Conjonctivite » izay karazana areti-maso miseho amin’ny fisian’ny tai-maso matevina, ranomaso mivoaka ho azy, mena maso ;
-« Maladie pieds-mains-bouche », otrikaretina iray mpahazo ny ankizy kely. Miseho amin’ny bontsin-drano manaintaina ao anaty vava, eo amin’ny felatanana sy ny faladia tongotra izy io ary mety mampanavy.

Ny fisoroana azo atao

Tsy afaka arovana tanteraka amin’ireo areti-mifindra mety miparitaka ao amin’ny « crèche » ny ankizy kely taizaina ao. Misy ihany nefa ireo fitandremana sy fepetra tsara arahana mba hampihena ny « risques » hampiparetika ireo otrikaretina :
-Sasana matetika ny tanana ny ankizy kely mandeha « crèche », indrindra rehefa avy manolo « couches », alohan’ny hisakafo sy rehefa avy nievona. Mila mahavatra manasa tanana toy izay ihany koa ireo mpitaiza azy ireo ;
-Fafana sy diovina tsara matetika ireo toerana sy kilalao kasihin’ireo ankizy ;
-Tsy atao mifampindrana fitaovana ny ankizy, toy ny « biberons », kaopy, sotro… ;
-Tsy alefa mankany amin’ny « crèche » ny zaza marary mba tsy hamindra amin’ny hafa ;
-Atao vaksiny ara-dalàna ny ankizy kely mba hanampy amin’ny fisorohana ireo otrikaretina sasany.

Lire la suite

Articles Similaires