• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Dgd
Image
Vaovao

Volamena nafenina tanaty « Rice Cooker » : Nadoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy Sri-lankais

08/05/2025 07:47 © Moov

Nadoboka am-ponja eny Tsiafahy ilay teratany Sri-lankais nahatratrarana vovo-bolamena milanja 3,855 kg teny Ivato, araka ny fanapahan-kevitry ny PAC.

Ny sabotsy 3 may lasa teo no nahatratraran’ny Fadintseranana Malagasy mpandeha iray mampiahiahy, teny amin’ny Seranampiaramanidina Iraisampirenena Ivato. Rehefa nampandalovina Scanner ny entana nentiny dia hita fa nisy zavatra niafina tao anatina fitaovana fandrahoana vary elektrika. Rehefa novaravana ny faritra misy ny « résistance », tratra ny bobo-volamena 4 fonosana, mitontaly 3,855 kilao. Nikasa hiondrana any Dubai moa ilay lehilahy, ary voasoratra tamin’ny fiaramanidina ET 852 ny tapakilany.

Fanadihadihana

Mazava ho azy, tsy afaka nivoaka an’i Madagasikara io teratany Sri-lankais io fa notanana avy hatrany. Ny Fadintseranana Malagasy no niandraikitra ny fanadihadihana natao teny amin’ny Seranampiaramanidina Iraisampirenena Ivato. Omaly Alarobia 7 may no niakatra teny amin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) ny raharaha, ka fitazomana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy aloha no mihatra amin’ilay voarohirohy. Mitohy hatrany nefa ny fanadihadihana hahafantarana ireo mpaniraka na mpiara-miasa amin’ity teratany vahiny ity. Nandritra ny fanadihadihana mantsy, tsy fanondranana an-tsokosoko tsotra izao raharaha izao, fa sady miaro famotsiam-bola sy famatsiam-bola asa fampihorohoroana.
Tsiahivina fa efa eo am-pelatanan’ny Banky Foiben’i Madagasikara ireo vovo-bolamena nogiazana.

Fanaraha-maso

Miara-misalahy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, na eny amin’ny Seranampiaramanidina na eny amin’ny Seranantsambo, amin’ny fiarovana ny harem-pirenena. Ho an’ny Fadintseranana Malagasy, efa manana traikefa azo antoka ireo mpiandraikitra sady avolenta rahateo ireo fitaovana ampiasaina.
Etsy andaniny, tanjona goavana ny hanafoanana tanteraka ny famoahana an-tsokosoko ireo harem-pirenena arovana, ka anisan’izany ny volamena, ireo biby ahiana ho lany tamingana ary ireo zava-maniry mampiavaka an’i Madagasikara. Ambenana mafy ihany koa ny sisintany mba tsy hidirana zava-mahadomelina na fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna. Etsy ankilany, mikaroka hevitra hatrany ireo mpanondrana harena an-tsokosoko. Efa nisy mihitsy aza ny volamena nasitrika tanaty lavaka fitombenana na nafenina tanaty finday. Miha-mafy hatrany araka izany ny ezaka rehetra amin’ny famongorana ireo fahavalom-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires