• Cours de change
  • 5037.61 AR
  • |
  • $4431.96 AR
Copyright Image : © Cool Parents Make Happy Kids
Image
Asa & Fianarana

Ireo fahadisoana tsy mampivoatra ny ankizy mianatra mamaky teny

05/05/2025 14:11 © Moov.Mg

Dingana iray lehibe amin’ny fanovozam-pahalalana eo amin’ny ankizy ny fianarana mamaky teny. Tsy mijanona amin’ny famantarana ny soratra izy io fa fitambarana zavatra maro, toy ny fahazoana ny hevitry ny teny sy ny lahatsoratra, tsy miakanana rehefa mamaky teny… Mandritra ny fotoana fianaran’ny ankizy mamaky teny dia misy ireo fihetsika mety ataontsika ray aman-dreny izay tsy mampivoatra ny fahaizan’ny zanantsika. Araho eto ary ny santionany amin’izany.

Fanerena ny ankizy mianatra mamaky teny hivoatra haingana

Fanirian’ny ray aman-dreny tsirairay ny hampahomby ny zanaka amin’ny fianarana. Toy izay ihany koa rehefa mianatra mamaky teny ny ankizy. Tiana hivoatra sy hahay malaky izy ireny ka hamporisihana sy homena fankasitrahana ny ezaka ataony. Indraindray nefa rehefa tsy mifanaraka amin’ny zavatra endrasana ny fivoarany dia toa lasa terena izy hivoatra. Mampisy rarintsaina eo amin’ny ankizy mianatra mamaky teny io fanerena azy hahay malaky io ka mety vao maika lasa sakana amin’ny fivoarany. Ny fanambatambazana sy ny faharetana no isan’ny fomba mahomby mampahay mamaky teny ny ankizy vao mianatra.

Fiononana amin’ny famakiana teny anya m-pianarana

Maro tokoa ny ray aman-dreny mihevitra fa ny fianarana mamaky teny any am-pianarana dia ampy hampahay sy hampivoatra ny ankizy hahafehy izany. Diso nefa izany fiheverana izany satria mandray anjara amin’ny fahazoana fahafinaretana amin’ny famakiana teny eo amin’ny ankizy ny ao an-tokantrano. Araka ny fanadihadiana nataon’ny UNESCO dia voalaza fa ny ankizy miaina anaty tontolo feno boky dia mora mivoatra sy mahazo vokatra tsara kokoa amin’ny vakin-teny. Anisan’ny mandrisika ny ankizy ho tia sy mahay mamaky teny ny fiarahana mamaky boky aminy rehefa alohan’ny hatory, ny fananana boky maro afaka vakiany ao an-trano…

Fanintsiana lava ny fahadisoan’ny ankizy mianatra mamaky teny

Fahazarana fanaon’ny ray aman-dreny maro ny manintsy avy hatrany ny ankizy mianatra mamaky teny rehefa mandiso teny izy. Manakana ity farany hanintsy ny tenany nefa ny fanintsiana azy haingana loatra. Ny tokony atao dia anontaniana azy hoe : « misy dikany ve izany teny novakianao izany ? » na hoe « sao dia hanandrana teny hafa enao ? ». Fomba iray mandrisika azy hieritreritra sy hahaleo tena izany. Tsy ny famakiana teny malaky no tanjona fa ny hahazoana ny zavatra vakiana.

Lire la suite

Articles Similaires