Menaka oliva : akora natoraly mitondra vokatsoa maro
Tsy dia mahavantana antsika Malagasy ny mampiasa menaka oliva noho izy lafo vidy tokoa raha oharina amin’ireo menaka zavamaniry fanao amin’ny sakafo hafa. Marihana nefa fa ankoatra ny hikarakarana sakafo dia maro ireo zavatra hafa afaka ampiasana ny menaka oliva sy ny tombontsoa azo avy amin’izy io.
Menaka oliva, afaka atao « démaquillant » natoraly
Raha lany ny « démaquillant » ao an-trano na koa tsy te hampiasa vokatra misy akora simika dia azo atao tsara ny mampiasa menaka oliva hanadiovana ny tarehy. Tsotra ny atao. Afangaro ny menaka oliva sy ny « eau filtrée » mitovy fatra ary io no hanadiovana ny hodimaso sy ny ao ambanin’ny maso. Miala tsara daholo ny « mascara » sy ny « eyeliner » rehefa tratran’ity vokatra natoraly ity. Rehefa vita izay dia kobanina amin’ny rano mafana sy lamba malefaka ny tarehy ary faranana amin’ny « nettoyant ».
Mampangirana ny volo sy mitsabo ny vakivaky
Efa maro ny mampiasa ny menaka oliva hikolokoloana ny volo. Sady mangirana be ny volo no lasa salama sy mafy rehefa manana fahazarana manosotra menaka oliva aminy. Afaka ampiasaina anaovana « bain d’huile » ity menaka zavamaniry ity. Izany hoe hosorana azy avokoa ny fotom-bolo sy ny loham-bolo ary horina kely 5 minitra. Avela hilona 30 minitra dia sasana toy ny mahazatra ny volo. Afaka atao menabolo ihany koa nefa izy io. Sasana tsara ny loha dia avela ho maina. Hosorana menaka oliva kely fotsiny mba hanamandina azy.
Manamandina ny hoditra
Afaka hanoloana ny « crème hydratante » fanao amin’ny hoditra ny menaka oliva. Manankarena vitamina A, D sy E ary mitahiry « acides gras » izy io ka mety tsara hikarakarana ny hoditra. Sady manome fanamandinana ny hoditra ity menaka ity no mampalefaka ary manome sakafo azy. Afaka ahosotra amin’ny tarehy sy amin’ny vatana iray manontolo izy io. Ireo manana karazana hoditra makiana no tena tsara mampiasa azy.