Fahamainan’ny hoditra mandritra ny fitondrana vohoka : ireo tsara fantatra
Anisan’ireo fiovana miseho eo amin’ny vatan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka ny fahamainan’ny hoditra. Marina fa tsy dia misy atahorana loatra izy io nefa kosa mety tsy hampahazo aina satria mety mangidihidy, mifandrirotra na koa miofaka ny hoditra. Andeha ary ho fantarina ny antony mahamaina ny hoditry ny bevohoka sy ireo fomba atao hampitoniana izany.
Fahamainan’ny hoditra mandritra ny fitondrana vohoka : ireo antony mety mahatonga izany
Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny fahamainan’ny hoditra mandritra ny fitondrana vohoka, anisan’izany ny :
-Fikorontanan’ny hormonina. Ny fiovaovan’ny hormonina, toy ny fiakaran’ny tahan’ny « oestrogènes » sy ny « progestérones », dia mety manakorontana ny « équilibre hydrique » ny hoditra ary mampihena ny famokarana « sébum » izay mitazona ny fanamandinana ny hoditra.
-Fiakaran’ny filàn’ny vatana rano. Miasa mafy ny vatan’ny bevohoka mba hampitombo ny zaza ao an-kibo ka lasa mila rano betsaka izy io. Any amin’ny zaza moa no laharam-pamehan’ny fandehanan’io rano io ka mety ho lasa kely na zara raha misy mankany amin’ny hoditry ny reny.
-« Sensibilité accrue ». Izany hoe lasa marefo ny hoditry ny bevohoka ka mora tsy mahazaka zavatra maro, toy ny rivotra maina, hatsiaka sy ny rano misy « calcaire ». Raha izany no mitranga dia vao maika lasa makiana ny hoditra.
-Anton-javatra hafa toy ny fampiasana savony tsy zakan’ny hoditra, fandroana amin’ny rano mafana loatra sy ela, fanaovana akanjo « synthétiques »…
Ny fomba atao hampitoniana ny hoditra makiana eo amin’ny bevohoka
Maro ireo vahaolana azo antoka sy mandaitra manampy hampitoniana ny fahamainan’ny hoditra mandritra ny fitondrana vohoka :
-Misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro mba hitazomana ny « hydratation » ny hoditra. Tsy atao latsaky ny 8 hatramin’ny 10 vera ny rano sotroina isan’andro ;
-Mampiasa vokatra misy akora « hydratants », toy ny « glycérine », « beurre de karité » na menaka zavamaniry hikarakarana ny hoditra amin’ny andavanandro ;
-Savony malefaka no handroana. Ferana ny faharetan’ny fotoana hilonana rano rehefa mandro ary tsy atao mafana be loatra ny rano ;
-Akanjo « coton » no hanaovana ary atao malaladalaka fa tsy tery loatra ;
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana. Ny sakafo manankarena « acides gras essentiels », indrindra be oméga-3 sy oméga-6 no dia manampy amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny hoditra.
Raha mampijaly be ny fahamainan’ny hoditra mandritra ny fitondrana vohoka, maharitra loatra na koa miaraka amin’ny soritr’aretina hafa toy ny hoe mivaramena, mangidihidy be na misy mibontsibontsina dia mila manantona mpitsabo na koa mpitsabo manokana ny hoditra (dermatologue). Izy ireo ny mahafantatra ny fitsaboana manokana azo antoka sy tsy misy atahorana ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao an-kibo.